Vous êtes ici

Vehivavy, 4 taona izay no nialako tany Madagasikara nifindra taty ivelany hianatra. Misy olona miandry ahy any ary efa 10 taona izany ny fiarahanay raha ny tena marina. Izy tena tsapako fa tia ahy, manao izay azony atao rehetra mba hanampiana sy hanohanana moralement araka izay vitany, tsapako fa miezaka be izy.
Izaho anefa aty tena nangatsiaka ny fitiavako, marihiko fa tsy mbola nampirafy azy aho fa saingy hitako fa lasa namana kokoa no handraisako azy fa tsy olona miaraka amiko intsony. Niezaka ihany aho nody indray mandeha isan-taona moa izy koa mba tonga taty.
Ho avy aty indray izy afaka roa volana, efa niresadresaka ihany moa zahay hoe hivady ka fantatro fa rehefa tonga aty izy dia hiresaka momba an'io izahay. Izaho anefa ity tena lasa tsy misy an'ilay fitiavan'olon-droa mitempo intsony.
Inona no tokony ho ataoko?

Par : TenyFolo
Tadidio fa ny fitiavana dia
Tadidio fa ny fitiavana dia avy ao anatin'ny vehivavy fa tsy ilay heverina fa any @lehilahy. Rehefa tsapanao fa tsy misy/(tsy manana) izany fitiavana azy izany ianao, dia tsy hisy mihitsy "fanambadiana" ho vanona/(Tahaka ny fahita betsaka @zao vanim-potoana izao. Aleo mampiasa ny 6èm sens-nao, hamantàranao izay natokana ho anao

Pages

Ajouter un commentaire

4 + 6 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.