Vous êtes ici

Ho antsika manambady izay efa nanao izany.Mba manitikitika ahy ny fanontaniana oe : Inona no mba tombony azonareo @ fanaovana izany ? Tsy ny manao @ vady ao an-trano aza ve no tena lafatra sy ahazoana fahafinaretana be tokoa satria ny fitiavana @izay no tena mampiray.

Par : mpitsidika
hum
hum
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 2 weeks 5 days
A rejoint: juin 19, 2018
Ho an ireo nitady experiences
Ho an ireo nitady experiences tany ivelany @ resaka sex ! tena tsy azo natao niaraka t@ vady tao an-trano tokoa angaha ilay izy ?
Par : nangala-pihinana
Izaho vao in-dray mandeha no
Izaho vao in-dray mandeha no nanao RS tany ivelany, sendra vehivavy môlamôla moa izany dia tsy nahatohitra. Tsy misy olana na kely aza ny vady ao an-trano. Tsy dia misy tombony ilay izy fa fitebitebena no betsaka sao nisy nahita, tsy mampahazo aina ny fi*******o nefa matahotra aretina sns... Noho izany tsy sahy intsony aloha... raha tsy hoe misy môlamôla hafa indray! hahaha!
Par : maelah
commentaire *Zaho zao mambady
commentaire *Zaho zao mambady namanjanaka fa sahiko ny milaz fa mbol tsy hazon fankampanah za satri amiko rehef nanaiky ny hanambad aho de lasa ts mahit olona afa tsy lay vadiko intson ,ten ts vitako le mampirafy nade mafy az ndraindray n'y mahaz ahy.
Par : Anonyme
Lehilahy no manoratra.
Lehilahy no manoratra. Za mbola tsy niodina ary mbola tsy solafaka izany. Ampy ahy ny vadiko. Aretina, problème, tebiteby sns... no mianjady raha mnaoa n'izany RS ivelan'ny tokantrano izany. Mety hitarika hatramin'ny divorce mihitsy aza. Dia eo amin'izay le ho avin'ny ankizy izay efa namiratra lasa matroka satria na inona na inona dia misy fiatraikany psychologique ho an'ny zaza foana ny RAD nisaraka. Izaho rahateo mbola tsy niaina izany ka sarotra amiko ny hanabe ny zanako tsy anilan'ny Ray na Reny izany. noho ny fitiavantena sy fitiavam-body dahol onefa izany. Ka aleoko rafotsy dia ampy ahy. Izy rahateo mampirevy tsara, no manja, no milay.
Par : VALINKAFATRA
Mitovy avokoa ny lavaka entin
Mitovy avokoa ny lavaka entin'ny vehivavy rehetra fa tsisy manana roa na telo, mitovy ami'ny vadinao ao an-trano ihany io na ho aiza ianao na ho aiza, fa ny lehilahy dia tsy afa-po amin'ny vadiny zany mihitsy satria izy mihevitra fa kapain-tsy hita fery, tadidio anefa fa micraoba amanam-pitrisa no hafindranao indrindra ho an'ny vadinao ao an-tokantrano amin'ny tsy fitandremana kely sy ny filana, ny nenina anefa tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa.
Par : Anonyme
Vehivavy no manoratra ,amiko
Vehivavy no manoratra ,amiko fijangajangana tanteraka ary tsy azon' n'y saina ekena mihitsy izany
Par : jayah
amiko aloha oatra probleme
amiko aloha oatra probleme ndray no itako amin le mapirafy oatr oe ara bola, ara piarahamonin an lasa miady le vadik sy le sipak surt out oe iray tanan na mifanena olana b le mapirafy ko. Nena tonga d maka makourella ref ts mahazo ao an trano iny ts mis rizariza
Par : X
Izay ilay hoe hevitrin'ny
Izay ilay hoe hevitrin'ny maro mahataka-davitra. Raha ohatra ka ampiasaina @ ohatran'izao ny internet, raha ohatra ka maro an'isa ny afaka mifanoro hevitra sahalan'izao, ary raha ohatra ka maro ny tia sy mitsinjo ny zanany dia vitsy ny zaza tsy manan-dray (na tsy manan-dreny). Fa ny momban'ilay mikaly eny @ sisiny, ny lahy be fitiavana ary miandry valim-pitia, ny vavy be olana ary miandry vahaolana... samy manana ny fombafombany, ao ny manambady maro, ao ny mitaiza tanora, ao ny mangalabadin'olona sns. Raha hiresaka fomba isika, ny any ivelany @zao tsy mitsahatra ny mivôtra, asa mety efa mivôna angamba ozy tsika, fa io samy manana ny fomba hikatsahany fahasambarana. Fa ny tena marina dia mila fikolokoloina ny fitiavana, mila fandeferana be dia be, ary mila mifameno, tsy mifapaka-lagy fa mifanambina (mifanome sanjila raha tsorina). Amiko manokana, lehilahy ny tenako, tiko ny zanako ary tahaka ny mahita ahy t@ mbola kely aho raha mijery azy ireo, tiako ny vadiko ary tahakan'ny mahita anjely MISY TOETRA aho rehefa eo anilany, fa ilaina ny mivôtra, ilaina asiana sakay sy mofo mamy kely ny fiainana, indrindra ao antrano. Torohevitra no omeko ho anareo vehivavy tsy te hanandrafy: "hampireveo foana Ramose fa mahay mamaly fitia izy, ataovy daolo ze fantatatrao fa vitanao (mandefera), ary aza miandry tambitamby, aza atao hampifanditra. Azy ianao ary asehoy azy fa efa manaiky enao, ekeo daholo izay mba tiany, izay ilay Mandefitra, manaiky, mitia ary mivôtra- azo atao daolo ze manitikitika ny saina, raha tianao ho lafatra ny fiarahanareo. Tsy vahaolana ny makany ivelany, fa satria ny tenako lehilahy tia olona, dia vonona hatrany hikarakara izay vehivavy te handeha any ivelany, fa atao kilalao sady tsy hanimbana ny eo ampelatanana. suuur
Par : Besaina
Nodidiana ny vadiko ka tsy
Nodidiana ny vadiko ka tsy afaka nanao elaela sady nihena ny filany rs noho ilay natao anesthésie generale... tsy fitiavana lotra fa filana au départ no niarahana tam sipa efa niarakaraka tam fony kely de tafahaona tam fb... de teny niarak teny... fa ny farany... hay tsy za rery no sipany...tratrako... nefa iz kou manambady... na tsisy fitiavana au départ de ni se sentir trahi sady toa arroseur arrosé ihany... tsapako marary ilay hoe ampirafesina... leo be za... aleoko ny ato antrano no kojakojaina... raha membre ato enao de fantatrao fa efa nivaly taminao ny nataonao ahy... afaka ny foko...

Pages

Ajouter un commentaire

1 + 1 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.