Vous êtes ici

Ho antsika manambady izay efa nanao izany.Mba manitikitika ahy ny fanontaniana oe : Inona no mba tombony azonareo @ fanaovana izany ? Tsy ny manao @ vady ao an-trano aza ve no tena lafatra sy ahazoana fahafinaretana be tokoa satria ny fitiavana @izay no tena mampiray.

Par : Anonyme
Vehivavy za no manoratra ary
Vehivavy za no manoratra ary manambady sy efa niteraka , amiko aloha tsoriko fa za indray no tia firaisana nohon 'ny vadiko tena tsy mahazo aina mihintsy raha vao tsy manao isan'andro ny olana nefa dia lay vadiko indray no tsy mavita firy tsy haiko raha any ivelany izy no mitady ny fahafampony fa nef dia tena tiako rhf momban firaisana ftsn n'inona position na 69 na zay rhtr haiko sy fantatro dia ataoko aminy doly amiko tsy dia lay firaisana loatra no antony hitadiavan lelah any ankafa fa lay fitia efa mia marefo satria tsy mitovy aminlay sipa sipa taloha mifampikarakara be tsony fa ef misy zaza
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 2 weeks 5 days
A rejoint: juin 19, 2018
Anonyme >>> Ka efa fantatrao
Anonyme >>> Ka efa fantatrao ange izany fa ny fitiavanareo mihamarefo no mahatonga ny vadinao mihodina any ivelany dia mba ataovy ohatran ny mbola tamin ny mpisipa indray ny fiainana mba mifampikarakara be koa.Amin izay ny fitiavana mihavao dia mifankatia be indray ianareo.Sady mba mahavita manome fahafahampo foana amin izay firaisana tadiavinao koa izy amin izay.
Par : Malala Tiana
Ho ahy manokana, ny vadiko
Ho ahy manokana, ny vadiko tsy ato an-trano mihintsy fa mivoaka miaraka amin'ny n******* isanandro. Efa niezaka niresaka taminy aho nandritra ny taona maro hampiova an'izay. Nanontany azy rahateo hoe soa misy zavatra avy amiko tsy mahatamana azy ato an-trano. Tsy mba mitondra ahy sy ny ankizy mivoaboaka na koa hoe miaraka ato an-trano, milalao na mahandro sakafo na manao zavatra hafa... Lazainy nefa fa efa ohatr'izay hatrizay izy. Ka tsy tiany hono aho manembatsembana ny "reviny". Raha miverina avy amin'ny alehany izy, manantena fa hisy firaisana aminay nefa na noho ny famaliny fotsiny aza dia malaina aho na ny hokasihiny aza. Indraindray aho manaiky ihany sady manantena hoe tsy mitady vehivavy any an-kafa izy. Lasa par devoir fotsiny ihany no hanekeko miray aminy nefa fa tsy misy zavatra hafa. Tsapako hoe noho ny ankiy izay tokoa no mbola iarahako trano aminy fa ankoatr'izay efa tsy manantena zavatra aminy intsony aho. Na projet na olana na hafaliana, tsy eo mihintsy izy mba ifampizarana. Alim-be vao mody dia tsy misakafo fa misasa dia matory. Amin'ny maraina indray manao grasse matinée, ianao nefa efa handeha hiasa indray... Lasa fiainana samy maka ho azy. Eo amin'izay no mitsiry ilay fitiavana olona hafa na dia an-taonany nandà ny fakam-panahy aza ianao. Ho ahy manokana tany am-piandohana nieritreritra hoe io vadiko io ihany no olona hiaraka amiko mandritra ny fiainako rehetra. Diso nefa. Noho ireo antony eo ambony sy ny maro hafa tsy voatanisa nefa dia lavon'olon-kafa izay manam-bady koa aho. Hatreto, efa fito volana niarahana izahay. Tsy hoe isanandro no miaraka fa tsindraindray ihany satria izy manao asa mivezivezy eto an-toerana sy any ivelany. Momba ilay RS ivelan'ny tokatrano, hatreto mbola tsy nisy aloha satria io miaraka amiko io patient be. Izaho koa, ilay tambitamby, fizarana ny manahirana sy ny hafaliana no tena tiako miaraka aminy. Indrindra ilay fihininy. Mety ho be ny hanome tsiny ahy nefa azoko lazaina fa mia-tia azy aho ary lasany tsikelikely ny foko. Manahy rahateo aho fa ao aoriana kely ao, noho ny fitiavako azy izay dia hanaiky hiray aminy aho. Tiako anefa raha tsy tapitra mihintsy ny aminay satria mameno ny banga rehetra amin'ny fiainako izy na izay tsindraindray izay ihany aza izahay no mifankahita. Izy mahatsiaro miantso ahy na impolo aza anaty iray andro nefa ny vadiko na sms iray aza tsy azo aminy. Izy hahazoako safosafo sy oroka mamy nefa ny vadiko, raha tsy hiray amiko na hangataka zavatra amiko tsy manoroka ahy. Izy manontany ahy ny androko raha nahafinaritra ahy na tsia, ny vadiko tsy mandraharaha an'izany. Izy tsy mila hitalahoana na hangatahana vao miresaka amiko fa izy no manatona ahy. Sarotra ity resaka ity ary miomana ara-tsaina hatrany aho satria matoa izahay samy mbola tsy nisaraka tamin'ny vadinay dia misy antony ao. Fantatro fa tsy ho ahy mandrakizay izy fa manararaotra aloha aho amin'izao satria mbola eo izy. Manome hamamiana amin'ny fiainako, na ny endriko aza ts ilay malahelo lava toy ny taloha fa hafa mihintsy. Mivaona amin'ny fanontaniana ery ambony ihany ity valiny ity fa ny tiako ambara dia hoe tsy voatery hisy firaisana ara-nofo ivelan'ny tokatrano. Kanefa mamy lavitra noho ny zavatra iainana amin'ny vady no hiainanao any ivelany. Tsapako fa tia ahy io olona miaraka amiko ivelany io, na izany aza nefa fantatro fa hisy farany ihany koa. Ho an'izao aloha aleoko mankafy ary tsy mieritreritra ny ho avy. Mamy be tsy azo ampitahaina na amin'inona na amin'inona ilay miaraka amin'nolo-kafa an
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 2 weeks 5 days
A rejoint: juin 19, 2018
Malala Tiana >>>> Misaotra
Malala Tiana >>>> Misaotra tamin'ny fijoroana vavolombelona mitondra fampieritreretana. Tsy mivoana amin'ny lohahevitra mhitsy ianao satria ianao ihany dia nanamafy fa an-dalana ho any ''" Manahy rahateo aho fa ao aoriana kely ao, noho ny fitiavako azy izay dia hanaiky hiray aminy aho. ""
Par : Malala Tiana
rahazahenao // Tsy misy
rahazahenao // Tsy misy fisaorana, ny fahitako azy safidy ilay manao firaisana. Ho ahy izao mba hampateza ny fiarahanay dia hitako hoe tsy manao an'izay mihintsy no mety satria raha tafanao an'izany : na mihena ny fifankatiavanay na hiamafy dia hiteraka zavatra hafa. Aleo ihany asiana fetrany mba hialana ami'ny olana mety haterany. Hatreto aloha mahafinaritra fa ilay izy koa rehefa tafiditra ao, sarotra be ny miala an. Miteny ianao ohatra hoe ajanoko ity, rahampitso izy lazaiko hoe aooka izay, sns... fa tsy foy e...
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 2 weeks 5 days
A rejoint: juin 19, 2018
Malala Tiana >>> Ny somary
Malala Tiana >>> Ny somary iderako anao dia entinao amin'ny saina ilay fiarahana fa tsy amin'ny fo toy ny ankabeazan'ny vehivavy.Ny tena mahatsara an'izay dia ho mora kokoa ny hanajanona azy satria tsy maintsy ho tonga izay fotoana izay.
Par : Malala Tiana
rahazahenao // mankasitraka,
rahazahenao // mankasitraka, saingy tsy mendrim-piderana mihintsy aho satria eo anatrehan'Andrriamanitra, tsy mendrika, fa noho ny mahaolombelona, marefo aho ary manaiky fa lavo noho ny épreuve mihatra amiko. Izay no nampiteny ahy etsy ambony hoe rehefa nahazo fy amin'ilay fiarahana ianao dia sarotra be ny miala tao satria tsy foinao ilay fiainana ambony rahona kely... Ny hany ezahako dia hoe tsy ambanin-javatra mihintsy ny zanako sy ny hoaviny. Ny fiarahako amin'io olona io mandefitra raha toa ka mety hanembatsembana ny bien-être-n'ireo zanako. Tsy mbola nanome tsiny ahy izy tamin'izany fa reporter ny fotoananay rehefa misy io tranga io. Eo amin'ilay hiala no tsy hay hoe rahoviana fa izao vao azoko ilay hoe "Omeo tombon'andro", satria te hiova nefa naman'ny voafatotra ihany...
Par : njarinah
matetika aloha rendra2 ilay
matetika aloha rendra2 ilay izy na lahy io na vavy satria efa mahazatra maso angamba ilay ao antrano ka mitady ny hafa any ivelany mba hakana hamohamo no sady hanatanterahana izay tsy vitan'ny vady ao antrano.misy fiteny zay mantsy hoe"ny dobo tsy hita no mahamanina" ka zary voasarika ny any ivelany.
Par : roger kely
malala tina >> vorona efa azo
malala tina >> vorona efa azo nenlery ka tsis ataorana na we apitaitaina fa miandry ampitonina we rahovina no ftona tsara hanandramatsira sy hinanakena….fa ny bandy miondakena lo de ts isy ary ny sex opozé ko jamè tsis sex zany ra mifapikasoka….miandr apitonina tsika we ho voaavotr i radanz iany ve Boubel??
Par : Tsis nom
Nareo b resk b reo ve MBA
Nareo b resk b reo ve MBA mvavaka, ts aleo ve ts miditra fiangonana, ts aleo misarak réf ts clé, ts hitako tsun ze Antony ivadina ra otrizan ts aleo manao la vie sad Koa ra ts forcena reo ampirafy ndaolo ary nsipa nareo nrats karakarain nvadi areo dia manakivy olona bdbd am fanambadina enw no efa zvtr mampirafy otran *******ina manome ******* olona ts fantatra nef manambady MBA malala menatra fts resak filana foana nfiainana

Pages

Ajouter un commentaire

11 + 3 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.