Vous êtes ici

Tsy haiko na ato izy ity no tokony apetrako na atsy @ sexualité. Resaka mpivady ihany moa izy ity. Vehivavy no manoratra ary zao le olana misy aminay sy papa amin'izao.

Manambady aho ary mananjanaka. Nisy fotoana nifankahita t@ ex-ko za.Le talohan'i papa mihitsy io. Ary nifampiresaka izahay. Asa na azon'ny voa tsy manadino aho fa tafaverina niaraka izahay ka nisy RS mihitsy aza. Papa tsy kopy amin'io.
Fa ny loza de zao. Le ex indray no lasa milingilingy mandrangitra ny vadiko @ mp. Tantarainy ao daholo ny RS rehetra nataony. Tena nisafoaka i Papa ary tezitra be tamiko. Raikitra ny enquete sy ny fanadihadiana isankarazany. Ary nolazaiko azy ny marina satria tena tsy azo hihodivirana intsony. Tezitra izy. Hitako hoe normal izany. ARy milaza hampiditra divorce amiko. Sahirana tsaina aho. Inona no ataoko fa rainjanako izy ary mbola tiako.

Par : anatra
Mampalahelo ilay zavatra fa
Mampalahelo ilay zavatra fa efa rano raraka moa iny...Ny zavatra tokony hezahanao fantarina aloha dia izao e: 1-inona no antony nahatonga ny ex-nao hitantara ny zavatra nataonareo tamin'ny vadinao? 2-manambady sa tsia ilay ex-nao, ary nareo ve zany nanana projet matoa izy nitantara tam vadinao ny zava-misy? 3-Dia inona no réaction-nao tam ex-nao tamin' nareo nihaona taorian'ny nahatezitra ny vadinao? tokony ho tezitra taminy ianao ary tonga dia nampijanona ny fihaonanareo sy ny fiarahanareo na inona na inona mety ho décision-n'ny vadinao.
Par : anatra
Mampalahelo ilay zavatra fa
Mampalahelo ilay zavatra fa efa rano raraka moa iny...Ny zavatra tokony hezahanao fantarina aloha dia izao e: 1-inona no antony nahatonga ny ex-nao hitantara ny zavatra nataonareo tamin'ny vadinao? 2-manambady sa tsia ilay ex-nao, ary nareo ve zany nanana projet matoa izy nitantara tam vadinao ny zava-misy? 3-Dia inona no réaction-nao tam ex-nao tamin' nareo nihaona taorian'ny nahatezitra ny vadinao? tokony ho tezitra taminy ianao ary tonga dia nampijanona ny fihaonanareo sy ny fiarahanareo na inona na inona mety ho décision-n'ny vadinao.
Par : Anonyme
Milaza ianao hoe mbola tia ny
Milaza ianao hoe mbola tia ny vadinao nefa juridiquement izao izy manana porofo angatahina divorce aminao raha tena tohizany Io heviny io ary manana rariny amin'izany izy eo anatrehan'ny fitsarana. Tsy ho verin'ny tsy ho rain-janakao izy fa rain-janakao foana, nifampiteraka ianareo, fa tsy hoe rehefa misaraka aminy koa ianao dia izay no faraandro ka ho tapitr'eo izao tontolo izao. Mitohy ny fiainana, raiso an-tanana ny fiainanao vaovao tsy miaraka @ vadinao fa tsy ianao akory no vehivavy voalohany nisara-bady eto an-tany @ tranga toa izany. Manorena fiainana vaovao miaraka @ izay tianao hanorenana azy aoriana. Izay ilay mi-assumer n'y zavatra rehetra. Raha tsy misaraka aminao ny vadinao dia mety manomboka eo koa ny afoben'ny fiainanao ho avy satria handatsa anao foana ny vadinao ary indray andro any raha mampirafy koa izy dia tsy manana ho lazaina afatsy ranomaso mangina ianao sisa @ izay. Mety ianao indray bonté hisaraka. Raha tsy manao an'ireo voatanisa rehetra ireo ny vadinao dia tena anjely izy fa misaotra an'andriamanitra ary hendre tsara amin'izany, asio gadena ilay foufoune mangidihidy ka aleo atokana ho azy irery mandrakizay. Raha tsy izany @ ho avy mahaiza mangalatra sy mifidy partenaires mba tsy ho tratra
Par : Anonyme
Ny tena hadisoanao raha @
Ny tena hadisoanao raha @ fiainana ankehitriny dia ianao avy dia ianao avy dia nibaboka niaiky ny fahotanao. Tokony nanda ankitsirano ianao ary nilaza fa mitapy sy ondranondranana i ex Io misy fahavoazana bé fialonana mitady handrava ny fiadananareo ka tokony hanaovana risoriso any mba hihidy any Antanimora na Tsiafahy. Dia tonga dia notapahinao teo no ho eo ny fifandraisana aminy ho porofo amin'izany. Rehefa nilamina ny raharaha dia afaka nandefa poste ratsy @ ilay groupe irayy nolzainao teo mitady plan amin'ireo izay mahatsiarotsiaro ny ex taloha. Sur fa tsy hitantantara @ vadinao intsony @ izay satria efa *******o ianao sady efa pro am zay
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 3 weeks 4 days
A rejoint: juin 19, 2018
Sipamalaelo >>>> Ny heloka
Sipamalaelo >>>> Ny heloka ibaboana hono mody rariny ! Efa tsara ny nifona fa mila mampiseho mandrakariva @ vadinao ianao fa tena tia azy. Na inona na inona anefa vokany eo dia tokony manamafy saina sy manaiky ianao fa izay ilay valin ny nataonao.Ny fifandraisana @ ex tapaho hatreo tsy hisy intsony satria tena tsy tia anao izy matoa sahy nandrava ny tokantranonao.Ohatran ny valifaty aminao ny fahitako ilay ataony ka na sanatria aza ianao hiverina hanambady azy avy eo,mety hampijaliany fotsiny anaty fampirafesana koa.MAHEREZA ARY ! DIA MAHATANJAHA !
Par : anonyme
Miandry ze hitranga no azonao
Miandry ze hitranga no azonao atao, mandiniha tsara na zany aza
Par : kalie
tsy misy olona te ho eo am
tsy misy olona te ho eo am toeranao , diso enao de efa niaiky de asehoy azy fotsiny fa mendrika hatokisana enao de zay sisa azo atao , mitanty vokatra sisa enao de zay , tsy maintsy hoe na izy andeha na izy mijanona tsy misy ankoatra zay , ny ivavahanao sisa de ny hamelany ny helokao .
Par : Razaka
efa tsy clé intsony izany ry
efa tsy clé intsony izany ry #Sipamalaelo, lehilahy no manoratra dia ny teniko aminao hoe afoizo ny vadinao ts possible iverina @zany décision izany intsony izy. Ra sanatria ka itsikian'ny vintana ianao ka hoe iverina izy dia fantaro fa tsy hilamina intsony ny tokantranonareo ary izy tsy maintsy hampirafy
Par : Mpisikidy
Azon'ody ianao raha ny
Azon'ody ianao raha ny fandinihiko azy... tadidio ny antony nisarahanao tam ex-nao... sao sanatria ady na lonilony.. sao nisy vava tsy ambina nifanaovana.. sns...fa misy kendry tohana nandrasany hamelezana anao dia voany zao enao ary raha ny fahitako azy dia mbola hamely anao izy... enga ka ho diso ny eritreritro fa tsy vao ianao irery no voan'izany ka izay no mahalasa ny saiko any am lafiny
Par : dridraodra
zakao ao ne nao tsy mandinika
zakao ao ne nao tsy mandinika vao manao zavatra,mamy ny atsy fy ny aroa, mbola ho avy i papa @ angady sy harona, mihevitra hoe kapaina tsy hita f*ry, iza koa no anampy anao eo,ny atsy ary tsy foinao fa akanao feeling

Pages

Ajouter un commentaire

2 + 1 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.