Vous êtes ici

Miarahaba anareo,
Nahantra izahay taloha ka voatery niotra t@ fiainana, nifanohana izahay mpiray tampo. Betsaka ireo havana sy olom-pantatra no nanilikilika fa : "ny ory tsy havan'ny manana", "ny omby mahia tsy lelafin'ny namany". Lehibe efa samy miasa izahay izao ary azo lazaina fa samy tafita, nefa na izany aza ilay fifanampiana mbola tohizana foana satria hita fa tena nampisongadina ny fiainanay ilay mifanampy. Marihiko fa mbola velona ny ray aman-dreninay.
Nanambady daholo izahay ary ny olana dia ireo vadinay ireo tsy manaiky ny hitohizan'ilay fifanampiana nisy teo aminay, ary tena manakana anay mihitsy moa ry zareo satria hono efa manan-tokantrano ka tokony hahaleo tena @izay. Nefa raha tsy mifanampy izahay dia mijanona ho fiainana antonotonona ny fiainanay fa tsy hisongadina izany, ka eo ny tena olana. Mbola kely ve izahay nahantra nahay nifannohana tsara, dia rehefa lehibe dia foanana ilay fifanampiana, dia lasa ilay tokantrano no mampizarazara.
Inona ry zareo no tokony hatao ary mino izaho fa betsaka isika no tratran'io olana io?
Misaotra mialoha

Par : kalie
anjaranareo mpivady no
anjaranareo mpivady no mifanaraka fa mifanampy ny mpiray tampo , saingy tsy atao am andaniny ihany zany fa ny ankilany koa , tsy asiana tombo sy hafa ny havan'ny lahy sy ny vavy , fa de samy ampiana daholo , samy manana ny tokantranony nareo ary samy manana ny fiainany fa resaho sy azavao fa ilaina ny fifanampiana , ataovy resy lahatra reo vadinareo avy fa tena mety le fifanampianareo fa raha tsy zany tsy mety le izy
Par : fernandojhon677
Tokantrano aloha r'ise ah,
Tokantrano aloha r'ise ah, marina fa manahirana, fa izay adidy tokony atao fotsiny no atao, aza mifampiditra kotimbola fa manahirana
Par : yan
Izay mihitsy no olana, ref
Izay mihitsy no olana, ref manambady dia ny vady matetika mandrava ilay fihavanana efa niorina hatry ny ela. Maro no misarapanambadiana noho izay resaka izay. Fa ny tena mety, miresaka tsara mikasika ilay sujet, dia fantaro izay tena hevitry ny vadin'ise. Mety hoe tsy tsapany ny alahelon'ise mantsy raha tsy ise mihitsy no manambara azy mivantana
Par : Gagaah
Ny ankohonana r'ise no
Ny ankohonana r'ise no iafarana ah, ireo no mikarakara rehefa marary fa ny havana mandalo mitsidika fotsiny
Par : idem
Mitovy cas aminareo izahay
Mitovy cas aminareo izahay mpiray tampo. fa mamanay vao hanambady izahay dia efa niteny hoe tohizo ny fifankatiavanareo fa raha ny vinanto vao hiditra no hampisara-bazana dia izy no miala. efa nampahafantarina ireo vadinay tsirairay avy izany. matoa zareo niditra dia vonona hanaraka ny fombanay. fa ny ahy tsy atakaloko an'ireo mpiray tampo amiko raha vady izany. ireo ihany no atokisako tsy hanary ahy na rahoviana na rahoviana. hatreto aloha tsy misy olana fa ny vadiko aza mahatsapa ny lafy tsaran'ilay fifanampianay mpiray tampo dia mba ataony any @ mpiray tampo aminy koa.
Par : Anonyme
fangah moa raha tsy
fangah moa raha tsy mifampiditra vola amin'ny mpiray tampo dia midika fa tsy mifankatia intsony e? amiko arakaraka ilay endrika fifanampiana no mety mampisy olona: mifanampy hoe manome isambolana ve ilay izy? sa mampindrana vola mba hanatsarana fivelomana? raha ilay voalohany aloha dia ombako manana ny an'ny vady, indrindra ianao miteny fa efa mahaleotena daholo ianareo. mifambotry ianareo samy mpiray tampo raha olona efa samy manana ny fivelomany nefa ny sasany mbola manimbina amin'ny tokatranon'ny hafa. ny fahasairanana samy manana ny azy fa raha izay mba manana kely mihoatra ny hafa no itambesarana dia mifampisintona midina ianareo. raha hoe adidy na fahasairanana no mandalo dia ekeko hoe manohana araka izay azo atao fa raha mandavantaona kosa tsy mety nefa efa mba samy manana ny anjarany. ny mifanary amin'ny sarotra ihany no tsy mety amiko. raha ilay faharoa kosa hoe misy ambimbavakely ny sasany ka mba afaka manohana ny hafa hanana fiainana tsaratsara kokoa dia mila eran'ny mpivady roa tonta ny conditions. izahay mampindrana vola ny mpiray tampo amiko nividianany tany sy trano na nanaovany asatena fa nifanarahana tsara taminay 4 ny famerenana ny vola. milamina tsara hatreto na eo amin'ny havana na eo aminay mivady satria ny havandramose tsy mbola nisy nindrana fa ny ahy irery no efa nindrana daholo ary namerina. fa na izany aza tsy fampitaha ny havana sy ny vady: vitambady tsy vitankavana ary tsy hanome torohevitra ny zanako mihitsy aho hoe soloy ny vadinareo rehefa tsy mahazaka adidy fa ny tokatrano amiko sady choix no priorité. ny olona amitsika malagasy anie betsaka no mifanambaka satria hoe mpihavana e, de aveo samy mahantra satria ny kely nilofosan'ny anakiray sy ny vadiny no nolanian'ny anakiray izay sady simba tokatrano no simba fihavanana.
Par : Torohevitra
Raha amiko, ny vady tokoa tsy
Raha amiko, ny vady tokoa tsy azo ampitahaina amin'ny havana. Ny vady no havanao tena akaiky mizaka ny aminao manontolo, fa ny havana koa anefa tsy fanary
Par : tsy mitovy
Samy manana ny hanitra ho azy
Samy manana ny hanitra ho azy ny fitiavan-bady sy ny fitiavan-kavana. Ny iray dia silaky ny ainao fa efa lasa iray ianareo rehefa mivady. Ny iray tampo dia ny iray kibo taminao. Ataovy mazava ny regle du jeu eo aminareo mivady momba ny fifanampiana tokony hatao. Ny teny hoe fifanampiana ange dia miara-manao ny dikan'izany e, (mutuelle, vice versa, dans les deux sens, etc...) tsy mitovy amin'ny hoe fanampiana fa misy tsofoka "if". Samy manana ny eritreriny ny mpivady fa tokony hifameno ireo. Ny fifanampiana koa dia tsy voatery hoe resa-bola foana. Tohizo ny fifankatiavana eo aminareo mpiray tampo dia tiavo tsara koa ny vadinao. Asehoy azy fa tsara ny mifankatia.
Par : manahirana
Tsara ny mifanampy dia tsara
Tsara ny mifanampy dia tsara alohan'ny fanambadiana dia efa resahina amin'ilay ho vady dia miditra na tsia fa rehefa tsy mitovy mantsy ny hevitra dia olana be!fa misy olona tena ny Ray amandReniny sy ny iray tampo aminy no priorités kokoa!misy hoe ny vady azo soloina fa ny havana tsy azo soloina!
Par : Anonyme
Ny anay koa tahak'izany, fa
Ny anay koa tahak'izany, fa ny vadiko indray tena hampijalian'ny fianakavianay @ fiantohana, mijaly tena mijaly izahay mivady, zah no lehilahy

Pages

Ajouter un commentaire

14 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.