Vous êtes ici

Fa ity zalah tena hafakely a. Nanambady ra cousin 20taona mahery lasa izay niterahany vavy tokana. Manana firehan-kevitra tsy manao mariazy na misoratra izay izy io. Rehefa 10 taona tany ho any ny zanany dia nisaraka tamin'io vadiny io izy ary efa-taona taorian'io dia nanambady hafa indray izay mbola niterahany vavy iray koa. Tratrany nanitsaka azy koa anefa io ka dia nisarahany. Nampakatra iray efa niteraka roa indray izy avy eo. Ny antony dia ny fanantenany fa mba ahay hipetraka hono satria efa nofaizin'ny fiainana. Tamin'ny roa taona lasa dia nodimandry Ranenitoa ary tonga tao nandritra ny fikarakarana rehetra izy roa vavy vinanto teo aloha. Tsara resaka ary toa mpirahavavy mifankatia. Somary tsy nahazo aina ilay tato aoriana indrindra, fa rehefa noteren'ny tsy maintsy mifanerasera noho ny zava-nisy dia nahay nifangaro ihany. Na ny fianakaviana koa aza nizarazara be ihany samy nanana izay nankafiziny ho vinanto na ho zao-bavy. Rehefa alina ny andro ka reraky ny andry faty ary samy nitady izay handriany, dia nentin-dracousin tany aminy daholo izy telovavy miaraka amin'ny zanany avy. Dia toy izany foana nandritra ny telo alina niandrasana ny razana. Samy tsy nisy te hamisavisa izay nitranga tany fa dia ny hoe efa mahay mifanaraka kosa angamba no namehezana azy. Saingy rehefa vita ny fandevenana ka nitohy ny firaisa-monin'izy rehetra vao gaga ny rehetra. Roa taona mahery izay no lasa fa dia ao izy efatra miaraka min'ny ankizy efatra...

Ajouter un commentaire

4 + 2 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.