Vous êtes ici

Miarahaba antsika rehetra. Mba mangataka ny avis-nareo re azafady indrindra.Hoezahiko hafohezina araka izay mety. Lehilahy no manoratra. 36taona.Iray ny vady. Telo ny zanaka. Efa ho roa taona izay : lasa niova ny vadiko : tsy misy envie hiray amiko intsony izy fa toa adidy fotsiny... ary raha misy indray mandeha isambolana dia efa tena betsaka. Dia sady lasa kizitina ihany koa izy ary manakiana ahy foana foana. izaho anefa dia karazan'ireny olona tsy mba tia mifamaly ireny...Hatramin'izay nivadianay, 10taona mahery izay, ataoko hoe indroa aho no nanomboka ny dispute teo aminay. Izay mifanerasera aminay dia manamarina izany hatrany...izy foana no mahita "hilana vaniny" amiko. Efa lasa manomboka kamo aho na ny hody any antrano aza, fa dia fitia te hiaraka @ ireo zanakay sisa no tena hodiako.Ankehitriny aho manontany tena hoe tena tokony mbola hiaritra an'izany ve aho? Ory calin, ory tambitamby, ory fikarakarana, ory firaisana aranofo, ory sitraka ... bref tsy mahatsiaro sambatra intsony aho raha ny eo @ lafiny aram-panambadiana... Ny vadiko tsy miasa, tsy dia olana amiko izany satria zarako aza izy mikarakara ny ankizy... Izaho no miasa ary mitantana orinasa ny asako, izany hoe misy ny vola, na dia tsy hoe mandavantaona aza, fa mahenika izay ilaina ny vola ampidiriko ao antokantrano... Izaho rahateo koa tsy hoe misy 2čme bureau na ohatr'izany... ampanetrentena lehibe koa no ilazako fa izaho dia ireny qualifiern'ny olona ireny hoe beau gosse... sady sariaka... sns... NY namanay akaiky aza dia maro ny manao sangy zary tenany hoe hiaraka amiko, ary mandoka azy foana hoe sambatra be izay fa nahazo vady tsara tarehy, tso-piaina, matahotra an'Andriamanitra, manambola, azo ianteherena sns e... Rehefa resahana carte sur table aminy io toetrany niova io, (ampilaminana fa tsy hoe mifampitabataba an) dia valy boraingina hatrany no azoko ary vindavinda no isarahanay eo ampiresahana... Lasa stressé sy marary fo aho noho ilay manindry fo lava... Aminareo izay mamaky, inona no torohevitrareo? Ny resaka moa dia efa tsy mahomby, izaho anefa "toa" mbola tia azy... Tokony haka 2čme bureau ve aho hamenoako ireo zava-mahaory ahy rehetra ireo? Tsy ho sarotra amiko aloha ny haka izany raha tena hoe izay sisa ny solution e... Somary mikorontana ilay fitantarako azy fa miala tsiny, satria vao mieritreritra ny manjo ahy aho dia efa te hitomany izany...Dia miandry izay torohevitrareo re tompoko mba ho dinidinihina alohan'ny handraisana fanapahan-kevitra. Asa mety misy mitovy cas amiko ve isika ato? Misaotra mialoha...

Par : TenWords
"Toa mbola tia azy"... Ny
"Toa mbola tia azy"... Ny lehilahy matoa didin'ny Mpahary hoe: "Ianareo lehilahy tiava ny vadinareo"... misy antony ao zay! Ianao zany zao "efa tia azy" ka logique vé ilay ianao efa tia tamin'ny nifankahita mbola tenenina ihany hoe : "Tiava"!? Noho izany, rehefa misy zavatra tsy logique tahaka an'io teo amin'ny fiainanao, dia normale koa ilay "tsy logique" araka ny fijerinao izany fiainanao izany @izao fotoana izao. Inoako fa amin'ny maha-Mpitantana orin'asa anao, dia azonao tsara izany philosophie/Psychologie izany.

Ajouter un commentaire

6 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.