Vous êtes ici

Salut ! Vehivavy no mitantara. Mba mila ny hevitrareo aho raha misy toa ahy koa ato. Olona samy manana ny maha izy azy izahay mivady raha diplaoma na asa no resahina. Roa ny zanakay ary samy mampidi bola izahay fa raha mbola ampy hisahanana ny fandaniana ato antrano ny ahy dia tsy manampy izy. Indraindray aza efa tena hita hoe tsy ampy ny ato antrano fa mbola tsy mandray anjara izy. Inona no tokony ataoko mba hahatonga saina azy fa ny tokantrano dia tokony hifanampian’ny mpivady amin‘ny lafiny rehetra ? Tsoriko etoana fa mifankatia izahay ary tsy miankina amin’ny fahafaha manaon’ny tsirairay ny fifankatiavanay fa fitiavana natoraly. Mankasitraka amin’ny fanehoan-kevitrao

Par : Manantona mpahay lalàna
manantona avocat dia manaova
manantona avocat dia manaova procédure d'obligation de participation à au frais du ménage, mitovy @ pension alimentaire ihany io, tonga dia coupé à la source na dia mijanona mpivady ara-dalàna fa tsy hoe sanatria misaraka aza ianareo
Par : anonyme
Fitiavana natoraly hoy ianao?
Fitiavana natoraly hoy ianao? Misy zavatra mampanahy anao ihany matoa amafisinao be ilay izy. Dia tokony mahay mifampiresaka tsara anie izany nareo hoe ataony aiza ny kar******* e. Inona no olanao raha mandeh mivoka kely en tête à tête dia manao carte sur table? Misy zavatra afeniny angamba fa aiza dia hijery fotsiny, sokafy ny maso fa aza dia mihirahira fitiavana be lotra. Mandraisa andraikitra am'zay, olona miaramatory aminao anie izy fa tsy hoe mila akana rendez-vous e
Par : Bera Pôlisy
Ilay famaritanao azy mihitsy
Ilay famaritanao azy mihitsy dia efa misy olana : TSY MANAMPY ara-bola ny vadiko. F'angah moa fanampiana no ilaina @ vady fa tsy fandraisana andraikitra feno ? Angaha tokatranom-boalavo izy io ka samy mikarepoka izay hitany ? Raha tokan-trano kristianina ny anareo, ka tafita soa aman-tsara taminareo ny fampianarana momba ny fanambadiana ao @ Jenezy, na Genesisy, dia tsy handalo izao zava-mitranga izao mihitsy. Voalaza ao ny hoe ....ary dia nitanjaka izy ireo, kanefa tsy mba nahalala menatra... Ny dikan'io teny io, dia ny hoe tokony hihanjahanja eo imason'ny tsirairay @ mpivady ny fiainan'ny iray. Tokan-trano iarahan'ny mpivady fa tsy hoe iray ihany no mandidy, manapaka, miantsoroka ny zava_drehetra. Ny mahatonga ny olana matetika dia miantomboka @ fisian'ny "jardin secret". Io andinin-tsoratra masina io dia tsy mankasitraka velively izany. Ny Pastora Rabemanahaka J.W. dia mampianatra io foana isaky ny misy mpivady miofana. Mahereza fa efa tafiditra lalina ianao.
Par : kalie
tsy maintsy resaka no ataonao
tsy maintsy resaka no ataonao azy , lazainao azy ny hevitrao de mifandamina ianareo momba ny fintantanana ny resa bola ao antokantrano , de ho hitanao eo zay valinteniny de maka fanapahan _ kevitra enao avy eo hoe ina no ataonao, mahereza fa mila mafy ihany koa am crise mitranga ao antokatrano.
Par : status
lehilahy no manoratra.
lehilahy no manoratra. mahagaga ahy izany lehilahy tsy mandray anjara @charges ao an-trano izany. izy aza no tokony handray andraikitra voalohany, fa ny an'ny vavy dia fanampiny fotsiny ihany. ataony inona moa zany ny vola azony raha izany? sao dia laniany @ zavatra hafa? mampirafy, mamelona havana miafina, etc..

Ajouter un commentaire

11 + 8 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.