Vous êtes ici

bonjour
Mbola tsy vita soratra izahay nefa ny zaza efa anakiroa.Raha dinihina dia ts dia ilaina vola be izany soratra izany kanefa ilay vadiko tsy mety fa izy ono lahy tokana dia aleo alo manangona kely kanefa ny zanakay efa 2.Mampalaelo raha misy zavatra karakaraina momba ny zaza dia ts mba manana livret de famille.mampalahelo koa ny mijery anle ao anaty copie oe natsanganRA....,ts itako nefa zay andresendahatra an'ilay vadiko.Mba toroy hevitra.Misaotra tompoko

Par : anonyme
izany hoe misoratra aminao
izany hoe misoratra aminao rery ve izany ilay zaza? Tokony azo zanahin'ny rainy fona mantsy na tsy vita soratra aza. Ny soratra na miaraka am vavolombelona 2 fotsiny aza dia vita. Ataovy fitiavana re no antony isoratana fa tsy resaka taratasy ah, sao sahirana any aoriana. Rehefa tsapany fa tena tia anao izy na samy manao jean aza vita fona io. Mariage angaha no mila mba hoe anasana havana
Par : Bera Pôlisy
Bandy ratsy loha ny vadinao.
Bandy ratsy loha ny vadinao. Tia tena. Nanana mpiray kilasy tamiko aho teny @ anjerimanontolo, fa raha vao misy ilàna taratasy mikasika azy, dia tena menatra mafy izy satria toa io ataon'ny vadinao io ny nataon'ny dadany. Reseo lahatra izy, fa ho an'ny zaza no antony lehibe indrindra fa tsy ho anao akory. Mbola olona te-hiliba no fieritreretako ny lehilahy ohatr'izany. Tsy eken'y eritreritray Pôlisy ny toy izany, sady olana eo anivon'ny mpiara-mivavaka amin'Andriamanitra. Mirary soa
Par : Anonyme
Tsy vita soratra Dadanay sy
Tsy vita soratra Dadanay sy Neninay noho ny fahasarotan'ny procédure ara-panjakana. Mila autorisation tamin'ny lehibeny vao afaka misoratra ara-panambadiana ry zareo. Ambonin'izay ny examen pre-nuptiale tsy maintsy natao. Dada nefa dia mandeha mission lava ary tsy nety vita ny soratra . Nifankatia ary tena mpivady tsara i Dada sy Neny. Saingy tsisy livret de famille. Rehefa lehibe efa tonga teo amin'ny fotoana handeha hanambady izahay zanany (efa plus de 20 ans) izay vao niroso tamin'ny fisoratam-panambadiana ry zareo. Izay vao nanana an'izany livret de famille izany. Le izy tsy tokony hanahirana le tsisy anaran'dRay ao anaty copie fa le ankizy mpanadrohadro no mahatonga ny complexe. Hany ka lasa mihafihafy kely ao an-tsekoly. Izahay kosa aloha tsy nanisy olana an'izany satria fantatry ny ankizy mpiara-mianatra ny RAD.
Par : Anonyme
Aleo ny fitiavana no
Aleo ny fitiavana no handrafitra ny maha-mpivadye...raha nanao reconnaissance ilay rainy tamin'ny zanakareo vao teraka dia misy anaran-drainy ihany ao anaty copie-n'ny ankizy, fa mianmpy fotsiny hoe manjanaka azy...
Par : Anonymous
Fanambadiana misy fitiavana
Fanambadiana misy fitiavana ve dia na izay hisoratra any @ Commune avy dia tsy vita ? Fitiavana mandringa izany... Fitiavana te-hiàla bala rehefa tonga ny manahirana... Miàla tsiny fa amiko ny olona toy izany dia TSY FAKA TARANAKA...
Par : Liana
Na ianao irery ary dia
Na ianao irery ary dia mahavita an'zany ry madama ahh amapitahory lay vadinao hoe :ataoko ny livret de famille dia soratako ao hoe père inconnu mety ho taitra ny ambompony !!tsisy zavatra vita anie refa tsisy livret sady otrany hoe clandestins reo ankizy .
Par : haler
Grav koa zany, mihevera ihany
Grav koa zany, mihevera ihany sao tsy tiny enao na otrzany. Mifampiresaha dia ajanony mitsy lé resaka havana sns fa manimba zavatra

Ajouter un commentaire

1 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.