Vous êtes ici

Vehivavy ao no manoratra mananjanaka roa. Ny olako dia mampirafy ahy ny vadiko ary mpiara miasa aminy io vehivavy io. Miresaka @ messenger foana ry zareo .ary tsy fantany F'efa arako avokoa ny resaka hifanaovany ry zareo. Ny mampalahelo ahy dia ny vadiko miatsaravelatsihy amiko sady mbola manafina amiko ny adalany ihany. Azoko toriana v ry zareo ? Sa inona no fanapahan kevitra tokony horaisiko. Marihikio fa mpivady vita soratra sy mariazy ara dalana izahay.

Par : 13.06.2020
Raha tsy mahadiso firy taona
Raha tsy mahadiso firy taona ianateo roa ary firy taona nivadiana dia efa niteraka ve sa tsia. Misaotra
Par : Anonyme
Ka ny lhl anie tsy ivaky
Ka ny lhl anie tsy ivaky aminao zany hoe tena manao an'izao na izao izy e,na efa tratra ambody omby zao aza izy mbola mitady irika ialana koa. Fa tena sur v enao tena miaraka zy zareo sa mbola mifanadala fotsiny?raha mifanadala mantsy izy dia mbola azonao aodina tsara ny lohan'ny vadinao fa raha efa tena miaraka kosa izy dia efa tena latsa-pitiavana any izy zany. Jereo tsara aloh d mifampiresah nareo mivady sao misy zavatra tsy ampy ao antokantranonareo na misy zavatra tsy ampy ataonao aminy dia ezahana vahana. Raha mbola te hanohy iaraka aloha amiko d ts vahaolana ny mitory.
Par : HERIKIRIJA
Tsotra be zany ry neny a
Tsotra be zany ry neny a tadidio fa safidy ny fiainana ary hotrizay tokoa ny fanambadina de mijereva fitaratra miboridana de manotany tena oe izany tokoa ve ilay safidinao de ao anatinao ihany no ahitanao ny valiny fa tsy avy ety ivelany izahay ety ivelany tsy mihaina ny fiainana hiainanao ao anaty tokatranonao ka de mandinhy de mametraha fanotanina , mbola tinao tokoa @ fonao manotolo tokoa ve izy ? sns raha misy azo hanampina @ conseille de eto ihany miresaka
Par : kalie
RAHA zaho no eo am toeranao
RAHA zaho no eo am toeranao dia avelako hiaraka any , raha vao manakana azy eo enao dia vao maika izy hisisika hiaraka dia eo tantara be eo , rehefa tsy rarahianao izy tonga saina hoe nanina enao no tsy mivaky loha toy zany , ataovy zay mahafinaritra anao , karakarao ny ankizy , manaova sport , manaova metimety , dia aza atao manohina anao ny mitranga , mafy a, fa miezaha , fa zay ilay sedra, betsaka ny zavatra hiova fa zao dia efa jereo hoe ina no ataonao , aiza ny hitondranao ny fiainanao . dia maereza fa mandalo ihany ny olona rehetra , enao koa mba manana ny fiainanao

Ajouter un commentaire

4 + 8 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.