Vous êtes ici

Miarahaba antsika rehetra. Izaho izay manoratra dia lehilahy manambady.

Izao no olana ilaina ny hevitra avy aminareo:

1 taona zay no nahavitana ny mariaginay, mbola tsy misy zaza hatramin’izao aloha.

4 taona talohan’ny mariage-nay dia nisy olana teo aminay roa. Ny olana dia ity: nisy lehilahy (izay efa manambady sy zanaka) nifanerasera tamin’ny vadiko izay lazain’ny vadiko hatrany oe namany hono. Tamin’izany anefa dia tratrako nandainga amiko io vadiko io. Nolazainy tamin’izany fa ny client no manatitra azy any an-trano fa aza tsenaina fa tonga dia andraso any antrano izaho. Tsy niandry azy tany an-trano anefa izaho t@izany fa teny ivelany izay tsy nampoiziny hoe hitako ny nahatongavany. Nony tonga tao an-trano dia nandainga tamiko izy tamin’izany fa oe ny client no nanatitra azy kanefa dia io bandy io no hitako nanatitra azy tamin’izay, ankoatra izany rehefa tratra ny laingany dia mbola namorona ihany koa izy oe ny antony nahatonga le lehilahy nanatitra azy indray...

Tsy izay ihany anefa fa nisy fotoana koa lasa tany Diego io lehilahy io nanao mission, ka niezaka namorona dia ho any Diego io vadiko t@izany, izay voamariko fa dia noforonin’ilay vadiko ilay dia oe andehanany any ka nijanona izy avy eo fa tsy nandeha. Marihiko fa io lehilahy io dia mpiara-mianatra tamin’ny vadiko ka zay no nampifandray azy t@zany izay mifankahita matetika amin’ny asa amin’izao … (ny Message itako tanaty telephone ny vadiko t@zany moa izay miresaka amin’ny namany vehivahy izy dia hoe: “ Izy anie lasa any Diego ko inona no amperahako amin’izany…?”.

Tamin’izany anefa dia niezaka nandamina resaka tamiko io lehilahy sy ny vadiko io fa oe mpinamana fotsiny oe zareo fa tsy misy ninoninona (zokiny oe no andraisan’ny vadiko an’io lehilahy io). Tia mo ny tena ka nandefitra sady hoe sao dia izaho aza no saropiaro diso tafahoatra araka ny lazainy ka natao ny marriage-nay rehefa afaka 4 taona taorian’izany.

Ankehitriny anefa dia mbola miresaka ireo zareo ireo ary vaomaika aza tsy toy ny taloha:
• Isaky ny tafiaraka zareo dia tsy mandray ny appel telephone izay ataoko azy ny vadiko ary mandainga amiko rehefa tonga (izay voamariko fona anefa fa oe zareo no niaraka tany fa mandainga amiko izy…)
• Mifampiantso saika isan’andro ireo. Rehefa eo imasoko anefa dia tsy mifampiantso fa rehefa tsy eo izaho dia mirefaka fona zareo isan’andro. Toy izany ihany koa ny message sy mp @fb. Ny vadiko mo mihevitra fa tsy arako avy koa ny fihetsiny sy ny ataony ary ny laingany ataony amiko.
• Rehefa misy olana ny vadiko dia io lehilahy io tsy maintsy maharaka oe zao sy zao…

Io lehilahy io fona anefa no olana t@fiarahanay hatrizay, ka rehefa mifamaly anefa izahay mivady dia milaza izy fa “Andriamanitra ihany no mahita fa madio fo izy fa izaho no manameloka azy…”.
Ankehitriny aho dia tena leo fa tena mitia azy amin’ny fo manotolo, nefa izy mandainga amiko fona. NY hanatsara ny fiainanay fona anefa no mbola masaka ao an-dohako hatramin’izao. Marihiko fa tsy oe tsy ampy fitiavana izany ny vadiko fa izaho aza itako hoe manao mihoatra ny hafa. Rehefa mifamaly anefa izahay dia izaho no lazainy fa manao sipa ka mitady hanamelohana azy izay tsy ataoko mihintsy…
Mandinika ny tokony ho atao aho ankehitriny hoe inona marina no tena misy amin’ny relation anzareo (tena namana ve sa misipa,…). Raha sipa dia inona no ho ataoko satria izahay vita marriage, raha tsy sipa fa namana indray efa no misy amin zareo mahatsiaro ho negligee anefa izaho sady tsy zakako ilay handaingana…

Marihiko fa samy manana ny maha izy azy izahay roa eo amin’ny asanay fa saingy domaine samihafa fotsiny no misy anay.
Misaotra anareo izay mamaly ary ialana tsiny fa somary lava ilay izy!!!

Par : 29.07.2020
Tsy fantatro ny finoinareo
Tsy fantatro ny finoinareo roa. Fa raha tena manarake ny finoana katolika dia tsy misy resaka fisarahana zany. Raha finoana hafa dia tsy haiko. Fehiny ? Safidy io. Efa naka safidy maro mirona makany @ fanambadianareo enao hatranu @ voalohany. Zao enao eo @ sapanan-dalana. Dia inona zany no safisinao ? Mahereza
Par : Anonyme
Misaotra misahirana manome
Misaotra misahirana manome hevitra!! Ny tena mampisalasala ahy dia ilay voady vita teo anatrehan'Andriamanitra sy ny hoe raha diso fiheritreritra izaho oe tena tsy mampirafy izy nefa isarahako. Fa raha tena oe mampirafy izy dia tsy afaka ny hiaritra izany izaho
Par : Anonyme
Ny tokony ho izy anie ,tsy
Ny tokony ho izy anie ,tsy tokony hanana namana lehilahy izany intsony ny vadinao ,de plus efa tsy tianao ilay izy sady namana miafina nefa arakao daholo ilay fifandraisan-dry zareo tous les jours .Mijoroa @ maha lehilahy e , satria tsisy resaka namana mifandray tous les jours izany . Ny tsy fantatrao mety manao RS any @ hôtel ,ry zareo ,dia bla bla bla foana isan'andro no resahiny sady tsy te hisaraka amin'ny vady moa tsy mahafoy an-dRasipa .Ne sois pas naif . Asaivo manao choix fotsiny izy fa tsy bla bla isan'andro dia maka décision sinon .Tsy misy idian'ny antokom-pinoana io satria normalement voaheloka ny resaka adultère eo anatrehan'Andriamanitra RAHA IZAY NO ZAVA MISY MIAFINA .BON COURAGE !

Ajouter un commentaire

3 + 2 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.