Vous êtes ici

Slt,vhv no manoratra.Mamanay koa tena tojo toa anao izao taloha,tena nahia kely mihitsy izy nandritrin'ny taona maro.Tena nanitsakitsaka faran'izay zokiny mihitsy raha i Dadanay t@izany.Indray andro tena tsy zakan'i Mamanay intsony ilay vono sy ny toetra ratsy hataony dia mba lasa nitaraina sy nitady solution tany @RAD-ny.Fa dia taim-bava no azony tany,tsy mba nihantra akory anefa efa hita fa tena naratra mafy izy.Nolazainy fa matoa hono Dadanay manao izany dia noho Mamanay.Marihiko koa fa ny karamany tsy mba tonga ao aminay izany mihitsy,ary ilay Mamany sy ny anabaviny tsy manaiky raha tsy mahazo any @Dadanay isaky ny fin du mois.Mamanay irery no mba n'sacre namelona anay mianakavy kely.Isaky ny misy fetim-pianakaviana dia hiatakatahan'ny olona foana izahay mianakavy kely.Nosasan'bebenay t@ fanaratsiana anay daholo ny sain'ny fianakaviana ka lasa mihatakataka @nay daholo.Erintaona taty aoriana nisaraka izy mivady(mbola tsy nisy resaka divorce),niaraka t@mamanay izahay 3 mianadahy.Mamanay rahateo koa moa mba nanana anton'asa ihany ka tsy nanahirana azy ny namelona anay irery.Nataony tsy nahita anay nandritrin'ny volana maro2 mihitsy dadanay,na ny toerana nifindranay aza tsy natao hitany mihitsy t@zany.Indray andro nandeha tany @RAD mamanay tany fa noheveriny angamba fa any izahay no mihalokaloka ka vonona be hanakorotana kanjo tsy nahita mangirana tany.Nisy fotoana nifanena tampoka taminy izahay 4 mianaka andeha hivavaka,tsy nampoiziny mihitsy fa mba lasa nihatsara na ny fitafinay na ny fiainanay,tsy nahalala menatra intsony izy fa nandoalika nandadilady t@ mamanay.Hitan'izao mpivavaka rehetra izao fa tsy norarahiany.Mamanay koa tsy nitsahatra nivavaka hoazy na dia nisara-toerana aza zareo.Ankehitriny lasa mandeha miaraka aminay mivavaka foana.Ka ny hafatro ho anao dia izao,mivavaha hoazy mba hiova.Mivavaha ho an'ny fianakaviany ihany koa mba hiratan'ny mason'izy ireo manoloana izao zava-misy izao.Raha ohatra ianao ka mbola tsy vonona ny hiala dia aza rarahiana intsony izy,na ny havany sy ny mahakasikasika azy any fa ataovy izay mapetipety ny fiainanao sy ny zanakao.Hasehoy azy sy ny fianakaviany fa vehivavy mahery ianao,asehoy azy fa tsy toy ny taloha intsony ny fiainanao.Ianao rahateo vhv miasa.Ka mahereza fa tsy ianao irery no miaina toy izany.

Ajouter un commentaire

2 + 2 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.