Vous êtes ici

Tsy resaka hoe Kristiana na Silamo, fa amin'ny maha-olona fotsiny, dia inona no antony tena hilanao azy manaraka anao ?Ny isan'ny tena fototra mantsy dia ny fiheveran'ny olona fa malemy ny lehilahy rehefa tsy mahasarika ny vadiny hanaraka azy. Ianao ohatra amin'izao dia mihevitra fa "mandefitra" be ary mety mahatsiaro io hoe "malemy" io.Raha manana fijery hafa nefa, dia mety mahatsapa ianao fa tsy fahalemena ny famelana azy hanana sy hiaina ny finoany fa tena faherezana lehibe. Tsy maro ny lehilahy mahavita manana tokatrano milamina miaraka amin'ny vehivavy sahy mijoro amin'ny maha-izy azy. Maro ireo lasa manana complexe etc.Dia mila avahinao hoe ny finoanao ve no mahatonga anao te hanery azy hanaraka anao, sa ilay lafiny maha-olona kely izay fotsiny. Raha ny finoana dia mety tsy tokony nivady mihitsy ianareo. Raha ilay lafiny maha-olona fotsiny hoe ny lehilahy mila mahery dia miaraka mianatra fijery hafa ianareo satria tokatranonareo io fa tsy an'ny fiaraha-monina.Mety sarotra fa rehefa hay dia mahazo tombony betsaka ianareo na amin'ny fifanakalozana fotsiny aza.

Ajouter un commentaire

4 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.