Vous êtes ici

Miarahaba antsika rehetra

vehivavy no manoratra. Efa 15 taona nivadina manan-janaka roa vavy! Classe de 2nd sy 4eme! Ny vadiko tsy miasa efa ho 5 taona izay. Izaho irery no mamelona anay mianakavy sady miantoka ny fianaran'ny ankizy. Izy mitady asa fa hoe mbola tsy mahita hatramin'izao. Matimati-kambo izay ilay vadiko ary mahay miresaka ery rehefa misy olona. Menatra aho rehefa sendra an'ireo mahalala ny situation anay, izy tena miseho mahay an'izao rehetra izao nefa asa ary tsy hitany nandritra ny 5 taona izay. Ny ankizy koa efa mia lehibe! Inona no ataoko fa tena reraka. Tsitako izay ho lazaina azy! toroy hevitra

Par : 'zany v?
Mampalaelo ianao marina!
Mampalaelo ianao marina! Teneno izy anao izay asa hita fa tsy miandry ny tsy hita eo e! Mila mifanampy sady amin'izay izy lehilahy, izy no tokony hiahy anareo telo mianaka. Miresaha! Reraka eo ianao dia ho aiza ny ankizy?
Par : miezakahatrany
Mahereza! Ento am-bavaka
Mahereza! Ento am-bavaka andro aman'alina!
Par : hilou
fetsy izy. kamo lahy fa mba
fetsy izy. kamo lahy fa mba hanakomana an'izay dia manao monsieur je sais tout sady matikambo. hany ka tsy hanaiky izy ohatra raha asainao mivarotra composé sy lasopy. ny havaliny amin'izay fotoana izay dia hoe "olona toa ahy ve dia hanao an'izany" sauf que tsinontsinona izy ny tena marina fa jombilo moa sa inona no fiantso anireny lhl velomimbady ireny? teneno izy hoe raha misy mahazo anao dia ahoana ny ankizy fa mila mitady vola izy na hanao sécurité aza
Par : kamolahy
Par: Misedra<br />Date: 17
Par: Misedra
Date: 17 janvier 2017 - 17:24

Miarahaba antsika rehetra

vehivavy no manoratra. Efa 15 taona nivadina manan-janaka roa vavy! Classe de 2nd sy 4eme! Ny vadiko tsy miasa efa ho 5 taona izay. Izaho irery no mamelona anay mianakavy sady miantoka ny fianaran'ny ankizy. Izy mitady asa fa hoe mbola tsy mahita hatramin'izao. Matimati-kambo izay ilay vadiko ary mahay miresaka ery rehefa misy olona. Menatra aho rehefa sendra an'ireo mahalala ny situation anay, izy tena miseho mahay an'izao rehetra izao nefa asa ary tsy hitany nandritra ny 5 taona izay. Ny ankizy koa efa mia lehibe! Inona no ataoko fa tena reraka. Tsitako izay ho lazaina azy! toroy hevitra
--------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Maninona no rehefa ny lahy no tsy miasa na tsy mahita asa atao....maninona no lazaina fa kamo sy fetsy...fa rehefa ny vhvh no mijanona mikarakara tokatrano...maninona no lazaina fa normal?????
Amiko raha mahavita mikarakra ny tokatrano izy...ka miezaka manao izay handamionana ny ao an-trano...amiko tsy hitako izay olana...tahaka anareo vhv izay nijanona an-trano tsy miasa an-taona marobe io...fa raha mivadika ve ny rasa dia lazaina fa tsy mety...Ataoko fa ianareo no nitady zo hitovy am ny lehilahy..ka rehefa omena anareo ny zo hiasa....dia mba ny lhl indray no mijanona tsy miasa....inona no blemanao ....ento mora io ê...
Mba jereo kjosa hoe...inona no asa nataony fahizay sy ny diplomany....misy asa antonony azy ve ny diplomany...raha tsy misy kosa...ny ankehitriny mitaky experience professionnel...nefa na ny sehetra ahazoana izany aza...efa tena tery...indrindra raha efa somary nitombo taona....aza an-kasarotiny ny fiainana fa ento mora ê...
Par : même
fijorona vavolobelona ny ahy.
fijorona vavolobelona ny ahy.

taloha ny ray amandreniko de tahaka izany mitsy. tamin crise 2002 de lasa chaumage technique ny raiko. ary nadritran 2002-2006 de niezaka faona izy itady asa. nefa na nahita asa ary de tsy tiany fa tsy mety aminy hono. ny reniko no miantoka retraretra. sakafo jirama ecolage deplacement. efa nitady asa aho an raiko fa tsy tiny daholo izay asa propozena eo. manoboka 2 an de chaumage teo de lasa matetika miady izy mivady ary i neny lasa sarotra tenenina... ny vavan havana moa zan de tsy lazaina tsony. rafozan dadanay mou zan de efa manao vava marary mitsy. ny reniko tena kristianina ary na de sarotra tenenina ary izy de amin farany manaiky an raiko foana ary tena nanohana an raiko foana izy. afaka nisaraka tamin raiko mitsy izy fa tsy nisaraka. hoy izy zay oe "pour le meilleur et pour le pire" !!! tamin 2006 izy no tsy nitady asa tsony fa nanagana asa ho an tenany ka nisy mitsy ary entana tao atrano namidy atao fond. tamin izany, isan andro zay alohan atory de manao *******te familial foana mba azahon Dadanay asa na mba hisy fidirambola afa ao atrano. tsy napoizina mihitsy anefa fa de lasa nande oazy asa natsangan dadanay ary tena lasa niroborobo be. efa navita trano 5 zao ny raiko ary apanofainy daholo. ary efa ho 4 fois an karaman reniko no azo amin hofatrano.

izao no conseil-ko ho an tompon ilay sujet:

- manana complexe ny vadinao matoa izy manao an zay fietsika zay. ary ny lehilahy mora tratran io raha resaka vola na ny toerany maha lehilahy azy no voakitikitika. ka aza gaga amin zany ianao fa tohany atrany izy. tena important be zan

- aza miala amin andriamanitra mihitsy indrindra amin fotoana tahaka zao. sarotra ho anao ny andefitra sy hanaja ny vadinao raha tsy ao amin Andriamanitra ianao. ary mandehana amin mazava hatrany tahaka an Kristy ao amin mazava

-mazotoa mivavaka. sady mampahery no mapisy firaisam-poa ao amin fianakaviana. fa tsy anenenanao zany fa hain Andriamanitra ny manampy anao.
Par : diniho
Marina avoko ireo voalazan'ny
Marina avoko ireo voalazan'ny même ireo!
Fa enao v alo efa mba niresaka t@vadinaoeeee! lazao azy fa ts arakao tsony ny charge reetra fa mila ny fanampiany enaoeeee! efa mafy oe ny fiainana ka ts arako tsony! Dia tohano hatrany izy, anotanio azy zay avtr tiany hatao fa na izy ko ary anie mety mba miasa ko ny sainyeee!

kamolahy>>>>>> @ko manokana na lahy na vavy no tsmiasa ka ra mahavita tsara ny fikarakarana rehetra ao antokatrano dia ts tokony hatao oe kamo sy fetsy zany, marina ny eritreritrao!
@zao fiainana izao alo dia mba tokony hiasa avoko na lahy na vavyeee! ra ts oe nga manana ny ampy zareo dia tsmila miasa itsony ny 1!
Par : rasobakobako
Ovao ny famindra, aza omena
Ovao ny famindra, aza omena vola na 1centime aza ny vadinao, aza manao distraction intsony nareo mivady, aza mivoaka miaraka aminy intsony, aza atao intsony izay nahazatra anareo hatramin'izay, izany hoe fohano daholo ny extras plaisirs rehetra, na sakafo aza dia fero ho juste tsy misy ambiny
Rehefa manontany izy hoe maninona enao no miova dia valio tsotra hoe efa reraka enao satria tsy vitanao irery intsony ny miantoka ny fianakaviana fa mila miasa koa izy hanampy anao
Matoa izy tsy miraika dia hitany fa ampy anareo ny karamanao sady mahazo izay ilainy aminao izy, fa rehefa tapaka ny vivre rehetra dia mety hiova izy angamba, andramo sao mety, tsy misy ady amin'io tsy misy gidragidra fa hoe reraka enao ary tsy ampy intsony ny karamanao hi subvenir ny besoin anareo ao antrano dia voatery mametra ny dépenses sasany enao
Par : ZA IHANY
mitovy² cas @ Misedra, fa
mitovy² cas @ Misedra, fa hitako oe le hevitr' i Même no tsara arahina, tsy mora koa ny mitady asa @zao fotoana indrindra le rangahantsika mifidy² asa fa d aleo tohanana sy arahina am-bavaka, ny ahy aza mbola pire fa sady tsy manao raharaha ao antrano no tsy manao devoir @ maha-vady ! Miasa tena izy fa tsy mandeha le asa, tokony mitady zvt hafa.
Par : olon-dehibe
Tsy mora ny mitady asa,
Tsy mora ny mitady asa, surtout efa 15 taona nivadiana izany, efa somary nahazo taona ny vadinao. Ianao ihany no antoky ny fandrosoan'ny tokatranonao. Rehefa miraviravy tanana sy manakivy ny vadinao ianao dia tsy hisy hankahery intsony izy dia ianao ihany no hibaby ny vokany eo. Rehefa hainao ny manohana azy foana, manome hery azy, na am-bavaka na amin'ny resadresaka mamy na amin'ny fiarahana mitady izay atao, dia hitanao fa miova ho azy eo foana ny fiainanareo.
Ny tsy fanomezana vola na fanaozana azy toy ny zazakely dia vao mainka manakivy ny lehilahy. Tsy ahitanao voka-tsoa.
Par : supporter
Manohana an`i olon dehibe 100
Manohana an`i olon dehibe 100% aho

Pages

Ajouter un commentaire

8 + 5 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.