Vous êtes ici

Vahivavy no manoratraMba mangataka torohevitra reto a, na dia mafy aza ny fiainana tao antokatrano dia maniry hanarina izany e.mba omeo torhevitra inona no hanarenana azy, tabataba, ompa, vono, gidragidra, tsy maita resahina, zany no niainana. Ny vady efa manitsakitsaka satria tsy maita fafiny ato hono.Tsy hay na mbol voavonjy ilay tokatrano fa de hatao ze mety fa refa tsy mety dia mijanona amzay, miala nenina e

Par : Olondroa
Ianao reny ve no te hanarina
Ianao reny ve no te hanarina n'y tokatrano sa nareo mivady? N'y tokatrano tsin olona anaky 2,fa Ra ianao rery manao Zay fara herinao fa izy tsy mirahara de reraka eo enao.
Par : Maman
Bonjour. Tsara sy mendrika ny
Bonjour. Tsara sy mendrika ny fanirianao hanarina tokantrano, kanefa tsy vitanao irery io fa ankino amin'Andriamanitra dia Izy no hanampy anao. Mianara Tenin'Andriamanitra, inona no tena atao hoe fitiavana? 1 Korintianina 13: mandefitra, mamela heloka.... Tsarovy fa tsy misy tonga lafatra ny olona fa ny fitiavana dia manarona fahotana maro. Aza avela ho potika zany mihitsy ny tokantranonao fa ny hafa mitsiriritra te ho eo @ toeranao mafy. :-) Mivavaha amin'ny fonao rehetra fa Andriamanitra hihaino anao. Aza mety hofitahin'ny ratsy fa Andriamanitra mbola te hanisy soa ny tokantranonao io. Aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona. Valio soa ny ratsy, mamela ny helony fa aza mitora-bato azy, manaova ny soa sy ny tsara foana fa hitan'Andriamanitra io dia hovaliany araka ny asanao ianao.Mirary soa d mahereza. PS: Izaho dia vehivavy niaritra ady mafy tamin'ny tokantranoko nandritra ny taona maro, fa nankiniko t@ Tompo, nitolona aho nivavaka sy nandinika Tenin'Andriamanitra dia niditra an-tsehatra Andriamanitra nanova, nanarina, nandamina ny tokantranoko ho mahate honina, feno fitiavana, fandeferana, maha tamana ny vadiko, feno fifaliana... tsara lavitra mihoatra ny taloha. Andramo fa ho hitanao fa tsara Ny Tompo. Raiso Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy!

Ajouter un commentaire

4 + 1 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.