Vous êtes ici

Miarahaba. Vehivavy no manoratra.Efa ho 5 taona izay no tratran'ny vadiko nifanadala t@ lehilahy hafa aho.Gidragidra be tao an-tokantrano t@zany, ary efa saika niafara t@ divorce. Tsy nahavita nisaraka tamiko anefa ny vadiko, ary izaho nahatsapa ny fahadisoako ka dia nifona sy nanaja tokantrano ary niezaka nanarina ny ratsy vita.Nanomboka teo anefa dia lasa nisotro toaka saika isan-kariva ilay vadiko, ary dia mila ady amiko foana, mitabataba mamerina ny tantara taloha, ary mila hamono hikasi-tŕnana mihitsy. Izay adiady rehetra, na resaka inona no iantombohany, dia tsy maintsy miafara @ io nataoko taloha io foana.Inona no tokony hataoko? satria tena mikiky ahy mihitsy ilay tabataba isan'andro.Mandra-pikimpin'ny maso ve izany dia izany foana no hiainana?Misaotra.

Ajouter un commentaire

13 + 6 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.