Vous êtes ici

VOTSY
tsy mifidy toerana izy fa misy azy avokoa fa ny tena fahita dia amin’ny tanana sy ny tongotra sy ny tarehy. Miteraka vetivety izy io ary tena manelongelina ny maso mahitsy..
Indreto ary misy torohevitra hanampy anao hiady amin’ny votsy:
1. NY TONGOLO GASY
Fantaro fa ny tongolo gasy dia antibiôtika natoraly, antobactérien, antimycosique ary antiviral. Noho izany dia manampy be amin’ny fanalana votsy izy.
Akora ilaina: totona tongolo gasy, sparadrap
Fikarakarana: rehefa voatoto ilay tongolo gasy dia osory ilay votsy ary fonosy sparadrap. Avelao eo mandritra ny alina. Ho hitanao fa hiala ho azy io votsy io. Atao mandritra ny 2 hatramin’ny 4 andro.
2. VOASARY MAKIRANA SY VINAIGITRA FOTSY
Voasana ny voasary makirana dia ny hodiny no alona amin’ny vinaigitra fotsy mandritra ny telo andro.
Alaivo ilay hoditr’ilay voasary makirana dia apetaho amin’ilay votsy. Fonosy sparadrap dia ento matory mandritra ny alina. Hiala ho azy ny votsy ny maraina na afaka 2 hatramin’ny 4 andro.
3. MENAKA KINANA NA HUILE DE RICIN
Asio menaka kinana ny votsy dia avelao eo mandritra ny alina. Avereno ny ampitso alina sy ny afak’ampitso raha mbola tsy miala. Manapotika ny votsy koa ny menaka kinana.
4. KARIBONETRA SY SIRA
Afangaroy ny sira sy karibônetra dia apetao amin’ny votsy amin’ny alina. Fonosy sparadrap dia ento matory. Ho hitanao fa hanjavona ny votsy

Par : tif
misaotra betsaka oh
misaotra betsaka oh

Ajouter un commentaire

9 + 5 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.