Vous êtes ici

Miarahaba, Manana zanaka vavy 17 ans aho ary mipetraka aty ivelany izahay. Ny olana dia miaraka aminy ankizy namany tsy tiko izy satria akizy tsy mitovy niveau aminy izany hoe mitovy taona fa ny niveau aminy fianarana aty mako tsy mitambatra daholo ny classe fa raha tsara note dia misy niveau hafa ianarana. Hitako izy taminy herinandro lasa teo miaraka aminy akizy vavy namany dia misy akizy lahy 2 koa ka nifanena zahay fa tena tezitra aho dia nolazainy an'i dadany hoe zaho manao jery ratsy azy hono.
Nolazaiko an'i vadiko fa io akizy namany io misitona azy ambany fa tsy mitovy niveau zareo satria lay akizy vavy namany tena faible fa ny mamany ( tsisy ray izy) tsy mandraharaha au lieu de hoe apanaovina cours avelany mirenireny ary efa manomboka manao sipa. Navaliny vadiko dia hoe tsy afaka mandrara azy isika fa hatraminizao ny note any apianarana tsara. Nanotany ahy ny zanako hoe inona no atony anaovanao jery ratsy ahy nony nifanena isika dia hoy aho hoe tsy tsara ve hoy aho raha miaraka aminy piara-mianatra miray classe anao mandeha mivoka nareo toy izay amin'ireny olona tsy mitovy niveau nareo satria ny devoir tsy mitovy, tsy betsaka devoir ny akizy faible nefa ny anao betsaka devoir sy sarotra ny niveau dia tezitra moa izy fa ny namany ray kilasy aminy tsisy mi interessée azy ary leo ny fehizina izy fa tiny ny hahazo plus de liberté sns.. ary leo ny fianarany koa izy fa sarotra ka hiova fianarana hafa. Nifapiresaka moa zahay mivady fa omena plus de liberté izy zany hoe avela hivoka fa kosa hoy aho ny note raha misy ratsy dia ho avy aho ary ho hitanao ny fahatezerako. Ny tiko ilana hevitra aminareo hoe inona no zavatra azo atao hialany aminy namana ratsy mitarika fa raha mitohy dia ho very sy hanenina ny zanako io any aoriana. Misaotra anareo mamaky sy mamaly.

Par : fikamasiso
Ianareo ray aman-dreny aloha
Ianareo ray aman-dreny aloha voalohoany indrindra no tokony ho disponible hihaino azy, handray azy ho toy ny n*******. Rehefa mifankahazo ho toy ny mpinamana ianareo mino aho fa hihena ny filany namana any ivelan'ny trano. Ambonin'nizay, hitadiavo activité extra koa ny zanakao... Mihena kokoa ny fotoana hiarahany @io n******* io.
fiber_manual_record Anselme
Dernière visite: Il y a 8 months 1 jour
A rejoint: octobre 26, 2018
mila mifampiresaka e
mila mifampiresaka e
fiber_manual_record Minotia
Dernière visite: Il y a 8 months 1 jour
A rejoint: octobre 30, 2018
Mahafoiza fotoana ho azy d
Mahafoiza fotoana ho azy d afk io fiarahana am namana manimba io!
fiber_manual_record Toky
Dernière visite: Il y a 8 months 1 jour
A rejoint: octobre 26, 2018
Anaro dieny izao sao
Anaro dieny izao sao anenenana rehefa ao aoriana e
Par : Anonyme
Miarahaba sy misaotra nandray
Miarahaba sy misaotra nandray anjara. Miasa daholo zahay mivady fa zao moa mijanona ato atrano aho fa aleoko mitady asa hafa fa tena mandreraka ahy ny asako teo aloha. Miresaka izahay mivady fa hoe omena liberté izy fa vao omena dia manararaotra, ohatra omaly natory taminy n******* izy dia hoe mody aminy 12h atoandro nefa aminy 13 h vao tonga ka tsy nasisako sakafo ho azy fa rehefa tsy tonga aminy ora fisakafoanana dia tsisy tsony hoy aho. Lasa mivoka lava isanandro, anotaniana tsy mety milaza moa ny rainy koa milaza fa tsy mety ny manotany azy hoaiza ary aminy firy no mody isan'andro zao. Lasa zahay mivady no miady satria hazavaiko an'i vadiko hoe tokony misy régle ny ato atrano ny fodiana, fandraisana anjara aminy raha2, ny fapiasana téléphone satria na any aminy toilette manaraka ny téléphone aminy 22h30 mbola miresaka aminy n******* téléphone. Noteniniko ny zanako maly ny tokatranotsika misy régle ary tsy maitsy arahany tsirairaiy io fa raha ny namanao tsisy lera fodina sy fisakafoanana azy zany fa tsy arahanao aty atrano. Konjona izy maly dia hoe hiala hianatra izy fa leo ny fehezina fa hitokatrano hono. Mandreraka re ny miaina aminy
fiber_manual_record Skimmia
Dernière visite: Il y a 10 months 3 weeks
A rejoint: septembre 5, 2018
hiala hianatra fa leo
hiala hianatra fa leo fehezina a??? tena maditra kosa zany amiko a, asaivo mandeha ahita e. nga moramora ty fiainana ty.
Par : Ravonjison
Manahoana a. Raha resaka
Manahoana a. Raha resaka fitsipika hifehezana ao an-trano izany anie efa tara e, 17 taona izy. Eo anelanelan´ny taona 3- 10 eo no fametrahana izany amin´ny zaza. Otrany hoe variana izany ianao tamin´ilay fitaizana dia izao vao taitra !!!! Tsy possible intsony izany izao fa firesahana sy fifanarahana no tokony atao izao, ka izay nifanarahana dia mila arahin´ny andaniny sy ankilany: izany hoe ny andaniny sy ankilany no miaraka misy zavatra arahina, fa tsy izy ihany no fehezinao eo !!!. Aza mora miakatra amin´izany, hitako marina ny voalazan´ny vadinao, tsy ho voararanao izy, fa mila miresaka aloha ianareo dia manao fifanarahana. Mba hanombohanao azy dia : deraderao aloha izy amin´ny zavatra tsara vitany , dia anontanio izy hoe inona no mba zavatra tiany hatao ....dia miafara tsomoramora any amin´ny fifanarahana . Fa aza miseho be hoe izay tianao no tsy maintsy atao eo, tsy zakany izany , raisiny ho toy ny fangejana.

Ajouter un commentaire

6 + 7 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.