Vous êtes ici

Miarahaba antsika rehetra,

arak'io titre io, dia manana olana izahay fa maditra trop ny zandriko, 20 ans, tsy mianatra intsony, mbola tsy miasa koa nefa. Lany andro mirenireny fotsiny, ary ny tena zava-doza dia voatariky ny namany @ fifohana rongony izy, izay efa nitondrany takaitra satria efa saika lasa adala mihitsy. amin'izao fotoana izao dia tsikaritray fa miha very ny entana ao an-trano, ary dia tsy lavitra ny mamoaka azy fa izy, ary hamidiny ref atsy manam-bola izy. Ny reniko dia mitondra ny mafy mitsy aminy , satria vo miteny azy dia valy boraingina no avaliny aazy, ketraka tanteraka aho, ny olako sode hampisy olana @ko sy ny vadiko le izy ao aaoriana ao, atao aona nefa izy, tsy avelanay hifditry ny tranonay mitsy aloha izy @ zao, fa tezitra loatra izahay @ halatra nataony tao. inona reto no vahaolana fa very hevitra, ho toriana ve de avela higadra, zandrinao iray tampo aminao zao ve?? :( tsita tsony mitsy ze atao azy. be loha be

Par : Hentitra
Efa niaina zavatra tahaka
Efa niaina zavatra tahaka izany izahay taloha! efa sitrana mou le anay ankehitriny! ny solution ho azy alou d entina miala n tanana misy anareo, satria tsy izy loatra n voa fa le n******* no mapirisika azy hanao io fiainana adala io! tsara koa ra omena responsabilité momba ny tenany izy, atao tsapany fa tsy mihantra aminy ny ray trano na malahelo azy ary! ento am-bavaka foana ary aza mivatravatra rehefa miresaka aminy! ataovy tsapany fotsiny fa ts manan-dreny afa-tsy iray izy ary raha toa tsy eo intsony ny reniny ts ho fatany izay atao, indrindra raha n adalany sanatria no mahatonga izany! lazao azy fa mila miova izy , tsy ho azy akory fa ho an'ny reniny niteraka azy! amin'nizay vao ho tsapany fa ts mety n ataony!
Par : Famaizana
Rehefa ts azo tenenina sy
Rehefa ts azo tenenina sy atoro ka mihevitra fa ny n******* no fianakaviany! aleo ho any! tsy hisy namana hamelona azy foana eo! ho tonga saina izy rehefa ts maita sakafo sy vola! mb ts hangalarany fotsiny d alefaso violon iray andro! rehefa ts tonga saina ao d asaivo manatona psychologue fa mapalahelo raha simba ny hoavy noho n adalana am fahatanorana
Par : Point
Ny raitampo tsy fanary na
Ny raitampo tsy fanary na adala toy inona ary! ny torohevitra sy ny fanehoana fitiavana entitra aminy iany no vahaolana! itadiavo occupation izy mb ahatsapany fa mila responsable izy fa tsy manao izay tiany foana!
Par : Marinaaaa
Asaivo mamaky baiboly sy
Asaivo mamaky baiboly sy mivavaka amzay tonga saina ny tsy mety ataony aminareo izy! hozona ny fiainany raha tsy mibebaka izy ary manaja ny manodidina azy!
Par : Zokiny
Salama doly ,gravy io ka za
Salama doly ,gravy io ka za manana zandry tena tao anatiny io ditra sy fifohaana rongony io .Ny somary nahavoa azy koa dia izy no faralahy dia nampiantainy dada sy mama ,zahay mba miteny anlery fa izy foana ny manana ny marina eo anatrehany dada sy mamanay ,nefa anie dia hita mibaribary zao fa dia mangalatra sy mivarotra ny fanana rehetra ao antrano ,manakorotana ny manodidina .Za moa dia niteny t@ dada foana hoe raha maty nareo dia iza oa no hikarakara an'io???za moa namaly hoe tsy maintsy zay raitampo aminy ihany ,fa zao oa dia tokony atao zay hamaizana azy ialany @io rongony io otrany hoe hidina kely any @polisy eeee tsy mety lay rainay fa hoe farilahiny hono sns .Maty dada 5 taona lasa tsy nampiova azy akory koa zany fahafatesana zany fa vao mainka nihapira .Farany moa nisy ol niteny hoe any Antsirabe misy mahay manala rongony nijanona 2taona tany izy dia navoaka 750milles par mois no naloha ,zao izy efa nody fa mbola somary hatahorana satria tsy mety mivoaka ny trano mintsy efa ho 1taona zay .Mafy io manana ralahy tratran'io fa ny zavatra voalohany dia ny mivavaka sy ankinina @Andriamanitra ,mahereza doly isika rehetra.
Par : zokivavy
Izaho nanana zandry naditra
Izaho nanana zandry naditra be ohatr'izany fa nataoko t@ fanaovana azy, mianadahy ihany izahay fa misy elanelana 10 taona be izao, nampihaiky volana ny fianakaviana ny ditrany ary saika nafaty tampoka ny reninay nisy fotoana, fa ny tena délit grave nataony dia ity, misy mpiray tanàna aminay efa nifanerasera taona maro taminay, mpivady nanana zanaka vavitokana izay lasa amie d'enfance ko dia teraka tsy nanambady ikala fa nofitahan'ny bandy, 16 taona tany izahay t@ izany, izaho afaka bacc izy nahazo zaza, niteraka aretim-po be taminy ilay situation dia maty tanora kely izy, vao 5 taona ny zanany dia maty izy, io zanany dia mpakao aminay satria ny dadabe any sy ny bebe any no nitaiza azy, presque lasa zanako ny fitondrako ilay zaza, izaho rahateo ohatran'ny lasa tsy te hanambady sy tsy nahatoky lehilahy t@ fahitako ny fijalian'io namako io, feno 15 taona io zaza io, presque nipetraka tato amiko, izaho moa nanao trano manokana teo akaikin'i papanay sy mamanay ihany, efa 31 taona aho t@ izany fa na fofom-bady aza tsy nanako fa presque vieille fille aho izany, io zandriko io 21 taona, tao anatin'ny ditra tanteraka, papanay sy mamanay tena hoe nanao ny sitrapony, vidianana moto, vidianana fiara, aloha écolage etsy sy eroa fa eh eh eh, ny ditra sy ny vehivavy no tonga mialoha, mifoaka migoaka mivoaka alina, teny ratsysy ompa vary raraka eraky ny trano, izaho t@ izany tsy niasa saina satria mba miteny aho dia izaho idray omen'i papanay sy mamanay tsiny, tsy izay ahitana vady hono no atao fa ilaozana mitaiza zanak'olona ao, tsy nasiako sira satria fiainako iodia safidiko, feno 15 ans ary io zaza no tezaiko io, tao anatin'ny fialana sakana tanteraka, izy koa tovovavy be mirongaronga be ny vatana fa ny saina dia zaza, notandrohan'io anadahiko io antsokosoko tao ilay zaza ary dia tsy namelany raha tsy vakiny tao no sady nitondra kitro, maizina tamiko ny tany aman-danitra, tena fantako hoe naditra sy misy toetra ratsy ilay anadahiko fa dia tena hoe ny zanako ve izany no nahavitany an'izany, tena nangidy ny rorako, niakatr'afo @ izay ary ity izaho, nasaiko nanao menace hametraka fitoriana ny raibe sy renibe an'ilay zaza satria ilay zaza vao 15 taona, tandrifin-javatra, nanana namana gendarme izay aho naniry mafy ny hiaraka amiko dia nitantarako ilay situation, ndao hampidirina violon hozizy fa ampahafirin'ny maditra izany fa izaho izao no tompon'ny ditra sy mafy loha hozizy fa rehefa sendran'ny nahay azy hendry ihany, ok ary hoa, nisaritaka niady aman-trano izahay mianakavy, latsa izany, ozona izany natao ahy izany, zaza adala te hanokatra fe hono ve no hanagadrako ny anadahiko, vitan'ny ray aman-dreniko ny nandroaka ahy tao @ trano izay volako manokana no nananganako azy, izaho koa tsy naka lagy fa noraofiko ny entako dia lasa aho nipetraka vonjimaika tany @ io namako io izay lasa vadiko avy eo, nihidy violona tany 48h, dia no menacer n'ilay namako io hoe na ialahy manao concours miditra gendarme dia manapitra formation na ialahy ampidiriko ity fitoriana fanodikodinana zaza tsy ampy taona ity dia harahiko manokana mihitsy ny dossier an'ialahy dia tsy amelako ialahy raha tsy migadra, natahotra ilay zandriko dia nanaiky, dia tany, nanaraka formation parcours du combattant tany, tsy afaka niala an-daharana fa tsy maintsy nanapitra, nivoaka avy any izy lasa zandary no sady hendry, ilay zaza notezaiko teraka dia nosoratako tamiko ilay zaza, izy lasa nanao jeune fille au paire tany allemagne dia tsy niverina intsony, zanaky ny anadahiko izany no nozahanay mivady satria ilay vadiko koa nanana olana ara-pananahana, fa izaho tofoka tanteraka t@ fianakaviako ireo, zara raha mifampiresaka sisa, ny anjara tranoko namidiko dia naleoko nanorina any an-kafa, miezaka ny rattraper ny erreur nataony ireo ray aman-dreniko sy io anadahiko satria mahatsapa ry zareo fa diso moa tena hoe nanavotra ny fianan'ilay zandriko ilay fanafaizana nataoko, izaho mbola malahelo @ ny zavatra nataony satria tena filàna sotasota tamiko fotsiny tsotra izao ilay izy noho izaho tsy nanaiky nanaraka ny sitrapony fa niseho nananatra sy nibedy ny papako sy ny mamako @ fitondran-dry zareo azy, ny tena mampihomehy ahy indraindray ny vadiko no mifankazo kokoa amin-dry zareo no sady hiangaviany mafy hoe hamitram-piavanana sady mba te hanana relation @ zafikeliny hono izy fa izaho mbola mangatsiaka hatreto, ny comble dia ilay zaza dia ny anadahiko latsitra 1, fa izy vavy kely fotsiny, mialatsiny fa lava be ilay tantara fa mbany soulager ahy ny nitantara azy teto sady anonyme eto, misaotra namaky

Ajouter un commentaire

16 + 2 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.