Vous êtes ici

Bonjour,
Mba hiresaka @ olona notezain-dreniny irery aho hoe inona no tena tsy ampy taminao raha tsy niara niaina t@ rainao ianao ary inona no irinao hisy eo @ fiainanao @ zao. Raha nanao fitaizana feno ve ny reninao (nampianatra, nahatafita anao @ fianarana sy eo @ fiainana, nanome torohevitra tsara t@ fiainana,sns) mbola nila ny rainao ihany ve ianao?
Misaotra ho an'izay mamaly. Raha mety dia temoignage no ilaiko fa tsy fitsikerana azafady.

Par : Témoin
Za taizana mère célibataire.
Za taizana mère célibataire. Vita mariage tsara izy sy ny père ary niaraka an-taonany maro vao nivady, fa toa hoe vao nanomboka nivady dia lasa naditra sy tsy mody antrano lay rangah sady tsy manome vola. Niafarany moa dia nisaraka zareo dia mamanay no nitaiza ana. Niditra quarantaine ny mamako no nisara-bady moa za hiditra pre-adolescence. Angamba hoe mafy ny fitadiavambola, sady mety stigmatisé am fiarahamonina izy lay nisarabady fa tena tsaroako kizitin-dava izy tamzany ka vao misy zavatra kely dia za daholo no iharan'ny hatezerany. Fa izy kosa aloha arak'io lazainao eo ambony io hoe tena nampianatra, nanome torohevitra am fiainana sns. Ary azo lazaina hoe tafita za zao am resaka ara-bola (manana diplome universitaire ary mpandraharaha amin'ny resaka produits laitiers etoTana). Na dia niezaka be aza ny mamako dia hitako hoe misy zavatra kely banga ihany teo am fiainako ary miantraika amiko zao lehibe zao. Tsy anomezako tsiny azy akory fa tsapako hoe sarotra zany mitaiza zaza irery izany. Fa ilay za voateny lava tena lasa repliée sur moi-même ary mbola manana problème de confiance en soi hatramzao lehibe zao. Nandritra ny fiainako koa zany tsy niara-niaina tam olona tena hoe nifankatia zany, dia tena sarotra amiko ny mi s'attacher amin'olona, sy mitana finamanana ela. Tsy dia tena nisy figure paternelle koa teo am fiainako fa dia vehivavy daholo. Nanana olontiana ihany ny reniko fa tsy dia nifanerasera tamiko firy. Ny raiko moa nanambady hafa ary nifampiteraka ry zareo dia tsy nijery ahy firy, na dia samy teto Tana ihany no nipetraka. Tiako ampitaina aminao hoe mety ho priorité anao voalohany ny hahatafita ny zanakao sy hamelomana azy. Fa aza hadino koa ny maneho fitiavana aminy sy ny mi-exposer azy amin'ny tena réalité an'ny fiainana. Raha te hihaona aminy ny rainy dia aza sakanana fa ilainy foana iny présence iny, même moindre.
Par : K anto
Salama daholo,mamanay dia
Salama daholo,mamanay dia nisaraka t@ papanay t@ année 60 tany ,mafy izany satria mahamenatra ny misaran panabadiana t@ izany ,nohon’ny antony fahaditran’ny rainay dia halehony nisaraka ,nahavita izy Ary hisaorako manokana ,na fianarana ,na fitafy ,na éducation ...Tsy nitaha @ fiaraha monina izahay ,fa tena nameno ny banga izy ,Ary ampy fitiavana tsara izahay,any ka teo @ fahatanorako Tsy nahare fahanbangana mihintsy aho na dia kely aza ,i papanay moa mitsidika anay isan taona eo ho eo ,Ary i mamanay dia efa nanazava taminay ny antony nisarahany t@ papa ,Ary tsy nanaratsy azy mihintsy izy ary tsy nanakana fa nitantara ny zava nisy fotsiny. Taty aoriana Samy mba tafita teny izahay ,Ary nanomboka sahirana ny papanay ,iny izy tonga hangataka fanampiana....tao ny nanome t@ mpiray tam po ,ao ny Tsy nanome ,raha tamiko nohon’ny sahirana izy vao tsaroako nisy fahambangana teo @ fiainako ,inconsciament,toa tsaroako fa Tsy nanana confiance firy aho teo @ fiainako...Raha finitinina dia na feno sy vitan’ny mamanay daholo aza ny namelona tsara anay ,Hitako fa nisy banga kely ihany nohon’ny lehibe aho ny Tsy nahateo ilay Ray.
Par : faravavy
Maro iraitampo izahay ary
Maro iraitampo izahay ary izaho no farany. Maty ny papako raha mbola zazakely mbola tsy nandia fianarana akory aho. Sary ihany no nahafantarako azy fa tsy tadidiko akory ny endriny na izay fifandraisanay t@ izany. I Mamanay tsy niasa mihitsy hatr@ izay niainany fa mba namela lova koza anefa i papanay ka trano tokana mihofa no fidiram-bolan'i mama namelomana anay zanany. Nahavita fianarana ambony aho na dia nisy kosa aza ireo iraitam-po tsy lasa lavitra fa ny minimum kosa aloha dia nahazo bacc daholo izahay. Tsapako hoe tsy miankina @ lehilahy izany aho ary rehefa sendra miady (matetika) @ vadiko aho dia tena faran'izay mpanalika lehilahy. Tsy nampianarin'i mamanay ahy io toetra io saingy toa tsy mety voatanako ny toetrako. aorianan'izay aho vao manenina nefa noho ilay hambo dia tsy ato amiko mihitsy izany hangataka famelana na miala tsiny na nifona @ vadiko izany. Dia lasa manova toetra mihitsy ilay izy. Izany moa no antony nisarahako t@ ireo ex-ko rehetra talohan'ny vadiko. Izao aho raha mba teo i papanay mety hafa ny toetrako vis à vis ny lehilahy.
Par : VARINA
Rehefa misaraka ny mpivady
Rehefa misaraka ny mpivady dia an lehilahy foana zay no faute. Aza asina commentaire. Zaho lehilahy ary Niaina mitovy anao zao ary mametraka io fantaninao io isan'andro satria mahatsapa tsy fahampiana. Vao 3 taona aho maty ny Papanay ka mamanay no nitaiza anay telo mianaka. nanao zay hafany io Mamanay ka azoko atao hoe tafita zah na dia tsy lafatra aza. Namaky boky maro sy documentation maro aho momba an le izy ka dia lazaiko eto le izy ary hitako fa marina.Raha vhvv anao dia tena lasa mpanambany lehilahy indrindra raha tafita enao amy fiainana ny vadinao tsy misy antony aminao. Mila mandini-tena. Matetika lasa amy toerana avo indrindra enao amy sehatriny asa satria midefier lehilahy tu n'a rien a perdre. Raha lehilahy kosa anao ka tsara fanabeazana matetika dia lasa olona tena malemy fanahy any ka tsy mahay mijoro amy maha lehilahy. Be fandeferana loatra, "Tsy manana hazo-damosina hoy izy ny fiteny" Mis mahatsara an'azy misy ny maharatsy an'azy. amy ankap-beny. Fa rahoatra ka ratsy fanabeazana ilay lahy kely tarim-dreny io ilay hikoizany maro hoe Jolahy rehefa lehibe. amy endriny maro. Amy ankapo-beny dia tsy manana anlay atao compliciter eo amy fiainana ilay olona. Tsy hoe tsy mahay miaina fa sarotra aminy no tonga de ouvert amy fiaraha-monina. ka io zavatra io no maha izy azy anjaranao no sisa mandanjalanja aiza no mila miezaka. Fa hoy Kakanjila zay hoe" Efa io izy" tsy azo ovaina rehefa lehibe.
Par : Nah
Lehilahy fona no diso? Aminao
Lehilahy fona no diso? Aminao zany ny lehilahy tsy tokony halemy fanahy fa ho mafy fo? Resaka zany fa raha sanatria misy ny sampona eo am RAD (fahafatesana na fisarahana) dia ankino amin'Andriamanitra ireo zaza, aza manahy fa hainy fona ny manefy an'ireo. Ary tsy nisy guide d'emploi ny toetra fa samy omen'Andriamanitra izay itiavany azy

Ajouter un commentaire

1 + 18 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.