• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Te hitombo vatana : ahoana ny fomba atao mba hampatavy ?

23/02/2023 07:37 © Moov.Mg

Anisan’ireny olona sarotra vao mahazo aina ireny ve ianao ? Mety ho resaka vahana no anton’izany. Antony hafa mahatonga izany ihany koa ny aretina, ny tsy fahatombanana ara-tsakafo sy ny tsy filaminan-tsaina. Raha te hatavy na hahazo aina ianao, ireto ary misy torohevitra tsara ampiarina mba ahatongavanao amin’ny tanjonao.

Miezaka hatrany mandamina ny saina

Sady mahasalama no mampahazo aina ny fitoniana sy ny filaminana ara-tsaina. Ny olona miferin’aina lava na be rarin-tsaina matetika tsy mazoto homana. Na tsara toy inona ny sakafo aroso dia mikatona ny vavony rehefa miasa saina be foana. Mba hisorohana ny fahalain-komana, ezaho alamina hatrany ny saina. Fomba iray anatanterahana izany ny mametraka fandaharam-potoana tsara amin’ny andavanandro. Aza entina mody ny asa sy ny olana anya m-piasana. Raha misy disadisa ao an-tokantrano, ezaho foana ny mifampiresaka sy mitady vahaolana. Rehefa milamina sy mirindra ny fiainana andavanandro, ho hitanao fa hisokatra ny vavoninao ary mora ho anao ny mahazo aina.

Mihinana sakafo be otrikaina sy ampy fatra

Mila misakafo tsara sy betsaka raha te hatavy. Ny sakafo be otrikaina toy ny hena, ny legioma, ny voankazo toy ny akondro, ary ny vokatra azo avy amin’ny ronono no atao betsaka mba hitandrovana ny fahasalamana. Etsy andaniny dia mila mihinana sakafo be « glucide », izany hoe ny vary, ny sakafo misy lafarinina, ny ovy, ny voamaina… Sady mampatanjaka izy ireny no mampitombo lanja vetivety. Manampy ihany koa ny fihinana sakafo voaendy. Tsy azo atao matetika akosa anefa izany satria mety hitarika aretina.

Mikolokolo fahasalamana sy vatana

Anisan’ny antony tsy mampitombo ny tsy fahasalamana. Maro ny aretina miteraka falain-komana. Noho izany, mila manantona mpitsabo raha toa ka tsy mety mitombo na efa misakafo tsara sy miezaka mandamina saina. Raha toa ianao ka salama tsara, ezaho foana ny mikolokolo ny vatana amin’ny fanaovana fanatanjahantena. Rehefa miasa daholo ny vatana dia mitarika fahazotoana homana. Farany, aza adinoina ny misotro rano tsy latsaky ny 1,5 litatra isan’andro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo