• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Andriamparany_Mickael
Image
Culture

Taom-baovao : Fantaro ireo fomba sy fanao Malagasy

01/01/2023 11:02 © Moov.Mg

Taom-baovao : Indro zaraina amintsika ireo fomba sy fanao malagasy

Rehefa tonon-taona toy izao dia maro ireo fomba sy fanao Malagasy izay mbola betsaka mpandala. Samy manana ny fombany moa ny faritra rehetra amin’ny lafivalon’ny Nosy rehefa Asaramanitra. Hita taratra ihany kosa anefa fa misy ireo endrika hitovin’ny fomba samihafa misy manerana ny Nosy, izay mifototra amin’ny tso-drano sy ny firarintsoa amin’ny ankapobeny. Ireto avy aza ireo fomba sy fanao Malagasy rehefa vaovao toa izao ny taona :

Mifamangy ny zanaka sy ny raiamandreny

Mifampody ny mpivady misintaka

Mihaona sy miara-paly ny lafin-kavana

Andro miavaka hizarana ny soa sy ny tsara

Amin’izany fotoana izany ihany ko no hanolorana ny solom-body akoho hoan’ireo Raimanandreny sy hanavaozan’ireto farany ny tso-drano firariana ny zanaka. Zava-dehibe hoan’ny Malagasy tokoa ny tso-drano ary hinoana fa mitondra fanambinana hoan’izay hiantefan’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo