• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Culture

Mihamy Mada Fashion - Toamasina : Fanandratana avo ny asa famoronana Malagasy

14/04/2023 07:10 © Moov.Mg

Tanterahina ao Toamasina hatramin'ny 15 Aprily ny Mihamy Mada Fashion andiany faha-4, izay karakarain'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Fampiratiana sy filatroana

Nosokafana omaly 13 Aprily 2023 ny Mihamy Mada Fashion MMF501 ao Toamasina. Mpandray anjara miisa 38 no manao varotra fampirantiana sy mampilatro mandritra ny 03 andro. Ny 26 amin’izy ireo dia avy amin’ny Faritanin’i Toamasina avokoa.
Ankoatra ny varotra fampirantiana ny vokatr’ireo mpandray anjara dia misy ihany koa ny « master class » ampianarana ny fomba fandraharahana eo amin’ny sehatry ny haihaingo sy bika aman’endrika, ny filatroana, ny fampisehoana andraisan’ireo mpanakanto zanak’i Toamasina anjara mandritra ny 3 andro.

Vokatra mahafa-po

Efa azo tsapain-tanana ankehitriny ny vokatry ny fisian’ny hetsika « Mihamy Mada Fashion » eo amin’ireo tanora izay nandray anjara tao anatin’ny andiany 3 tany aloha. Azo lazaina mantsy fa tsy vitsy ireo mpamorona haihaingo no efa lasa miroborobo ankehitriny ny fandraharahana izay ataony, rehefa nahazo sehatra nampahafantarana ny kanto izay ataony, ary efa afaka mivelona amin’izany mihitsy.

Tsiahivina fa manohana ireo mpamorona ny Ministeran'ny Kolontsaina amin’ny alalan’ny Ivotoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina (centre d’incubation en entrepreneuriat culturel et industrie créative) « Tosik’Art », izay nosantarina tany Toamasina nanomboka ny taona 2021. Tsy diso anjara ihany koa ny eto Antananarivo sy any Ihosy, ankoatra ireo 6 hafa izay efa miandry ny fisokafany ankehitriny.


Copyright Image : © MSK

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo