• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Culture

Vako-pirenena : Notokanana ny Mozea RAINILAIARIVONY

18/04/2023 16:53 © Moov.Mg

Androany 18 Aprily 2023 no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Mozea RAINILAIARIVONY, izay tafiditra amin’ny harem-bakoka mila kojaina eto Madagasikara. Mifanandrify amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zava-nahorina sy ny toerana miavaka ity androany ity.

Harem-bakoka mila kojaina ity toerana ity satria maro ireo fanapahan-kevitra mahakasika an'i Madagasikara no noraisina teto amin'ity toerana ity. Tsiahivina fa ny taona 1978 no novidian’ny fanjakana ka lasa « Patrimoine Culturel ». Tamin’ny taona 2019 no nanombohana ireo asa fanamboarana. Lasa Mozea tamin'io taona voalaza io moa ny toerana nonenan'ny Praiminisitra Rainilaiarivony. Ity farany no mpitondra fanjakana naharitra indrindra teto Madagasikara ary olona nanam-pahaizana teo amin'ny resaka paikady politika sy nahafehy ny resaka diplomasia ary nitondra ny fanaovazana teto amin'ny firenena. "Ny fitiavana sy fandalinana ny tantara dia mamelona ny afon'ny ambompom-pirenena. Mila olona tia Tanindrazana isika ary ny asa izay atao no mitoetra fa ny olombelona mandalo" hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
Ny kolontsaina sy ny tantara no maha-izy azy ny firenena iray, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Atao fanamby ny fameloma-maso ny vako-pirenena mba ho lovain’ny taranaka fara aman-dimby.
Ho an’ireo te hitsidika ny Mozea dia 500 ar ny vidim-pidirana ho an’ny Teratany Malagasy ary 5 000 ar ho an’ireo vahiny. Maimaim-poana ny fidirana ny Alarobia hariva ho an’ireo mpianatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo