• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Moov.Mg.Jpg
Image
Culture

Antsohihy : Maresaka ny Festival DONA BE

21/07/2023 15:45 © Moov.Mg

Nosantarina anio 21 jolay 2O23 ny Festival DONA BE Antsohihy andiany voalohany. Hetsika iray karakarain’ny Tarika Dadi Love miaraka amin’ny fanohanan’i TELMA sy STAR moa ity festival lehibe ity.

Festival DONA BE : Tosika amin’ny fampandrosoana an’Antsohihy

"Tsy ny tombotsoako manokana no hanaovako ny Festival DONA BE fa mba ho fampandrosoana ny tananan’Antsohihy sy ny faritra Sofia". Izany no nambaran'i Dadi Love raha nanatanteraka valan-dresaka tao amin’ny Radio Soa Fy Antsohihy i Dadi Love sy ireo mpiara mikarakara ny Festival DONA BE androany 21 jolay 2023 maraina
Marihina moa fa zanak’Antsohihy ity mpanakanto malaza ity. Nohon’ny asa fitadiavany moa dia any Antananarivo izy no mipetraka. Tsy manadino ny tany niavina nefa i Dadi Love ary maniry hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana izany. Ny fikarakarana ny Festival DONA BE hoy izy dia manampy amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny varotra eto amin’ny tananan’Antsohihy.
Maro tokoa ireo olona avy amin’ireo tanàna manodidina andrasana ho avy amin’ny Festival DONA BE. Hahazo mpanjifa maro noho izany hoy ihany izy ny trano fandraisam-bahiny, ny trano fisakafoana sy ireo fiara fitanterana eto Antsohihy.
Manome vahana ny lafiny ara-kolontsaina ihany koa ity festival lehibe ity. Natao DONA BE moa ny anaran’ny hetsika‚ noho ny tanàna Antsohihy izay vakin-dalam-pirenena faha-06‚ hifandonan’olona rehetra na atsimo na avaratra‚ andrefana‚ atsinanana‚ eny na avy any anivon-tany aza. Izany dia mba hampivondronan’ny vahoaka Malagasy ho iray‚ miara-mifety sy miara-mifaly.

Festival DONA BE : lanonana makotrokotroka eto Antsohihy

Maharitra telo andro ny Festival DONA BE karakaraina eto Antsohihy. Misy ny tombola DONA BE azo avy amin’ny alalan’ny fividianana tapakila DONA BE amin’ny vidiny 5 000 ariary. Izany dia ahazoana Moto, Télé écran plat, Kit Mbalik, Finday Telma, Vary amin’ny gony. Maro ireo hetsika sy lanonana hotanterahina mandritra ny festival.
Efa natomboka tamin’ny Carnaval lehibe namakivaky ny tampontanan’Antsohihy moa ny Festival DONA BE. Ny fiara nitondra an’i Dadi Love moa no nitarika izany ary narahin’ireo fiaran’i TELMA sy ireo mpandray anjara amin’ny carnaval maro. Marihina moa fa nisy ny loka natolotra ireo mpanao carnavals telo voalohany tsara fanamiana indrindra.
Toy izao kosa ary ny fandaharam-potoana manaraka :
* Zoma 21 jolay : *
9 ora alina soirée d’ouverture ao amin’ny Tranompokonolona hafanain’i Grand Maître Tianjama sy Dadi Love au grand complet
* Sabotsy 22 jolay : *
-6 ora maraina course byciclette
-1 ora Final Football ao amin’ny Terrain Tsararivotra
-6 ora hariva mandra-maraina fampisehoana hafanain’i Ceasar, Fandrama, Mirasoa, Vilon’Androy, Wendy Cathalina
* Alahady 23 jolay : *
-2 ora tolakandro Fifaninana dihy sy seho entanin’ireo mpanakanto avy eto Antsohihy eo amin’ny Terrain Travaux (tsy misy vidim-pidirana)
-6 ora hariva mandra-maraina : Animation Telma, Tirage tombola DONA BE sy fizarana ny loka ho an'ireo mpanao carnaval telo voalohany tsara fanamiana indrindra, Kabary famaranana, Fampisehoana hafanain’i Dadi Love, Hasley Mananasy, Rose, Sanga Love, Mama Red, Ronni, Ackram.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo