• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Ministère_De_La_Pêche_Et_De_L'Economie_Bleue
Image
Economie

Jono : Mpajono 32 voaofana tao Maromandia

05/01/2023 16:15 © Moov.Mg

Mpanjono 32 no nanaraka fampiofanana tao Maromandia, Analalava.

Mpanjono 32 indray no nisitraka fiofanana tao Maromandia, distrikan’Analalava, faritra Sofia. Ny 18 tamin’izy ireo dia vehivavy avokoa raha ny nambaran’ny ministeran’ny Jono. Ny hetsika toy izao dia manampy ny vehivavy hisehatra sy hivelatra amin’ny karazan’asa rehetra.
Ity fiofanana izay natao ity dia nifototra tamin’ny fomba fitehirizana sy famadihana ny vokatra an-dranomasina. Tsy ho vokatra an-dranomasina toy ny mahazatra fotsiny ihany noho izany no ho amidin’izy ireo fa ao ko ireo hazan-drano voasaly. Manampy azy ireo amin’ny fitehirizana ny vokatra ihany koa moa izao mba tsy ho simba vetivety ireo izay tsy lafo.
Noho izao fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Madagascar National Park Sahamalaza izao dia ho mora kokoa hoan’ireto nisitraka ny fiofanana ny hanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo