• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Economie

Fadintseranana Malagasy - 200 Taona : Manohana ireo mpianatra sy mpikaroka eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo

05/05/2023 16:36 © Moov.Mg

Miara-miasa manomboka androany ny Fadintseranana Malagasy sy ny Oniversiten'Antananarivo, amin'ny alalan'ny fakiolte EGS. Izany moa Dia tafiditra anatin'ny fankalazana ny faha-200 taonan'ny Fadintseranana Malagasy.

Fiaraha-miasa matotra

Hisy ny "recherche et innovation" izay iarahan'ny Fadintseranana sy ireo mpampianatra / mpianatra ao amin'ny fakiolte EGS. Entina indrindra izany mba hanohanana ireo mpisehatra eny amin'ny anjerimanontolo hanatanteraka fikarohana ilaina amin'ny fampivoarana ny eo anivon'ny Fadintseranana. Tohanana ireo mpikaroka mba hanolotra vokatra mahomby sy maharitra. Vonona ihany koa ny Fadintseranana handray ireo mpianatra amin'ny fizaran'asa na fitsidihana ireo ivon-toerana eto Antananarivo na any amin'ny faritra.
Marihana moa fa tsy vitsy ireo tetikasa notanterahin'ireo mpianatra ho an'ny Fadintseranana. Singanina manokana amin'izany ny fanatanterahana ny ''digitalisation'' izay novolavolain'ireo mpianatra tao amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa.

Fanavaozana ny asam-panjakana

Mivoatra hatrany ny teknolojia sy ny fahaiza-manao. Izany indrindra no anantonan'ny Fadintseranana ireo toeram-panovozam-pahalalana eto amin'ny firenena. Anisan'ny fanavaozana azo tsapain-tanana ny famadihana ny lalam-piofanana Marketing international ho lasa "Marketing international des Douanes".
Andrasana amin'ireo mpianatra Économie sy Gestion ireo tetikasa mikasika ny fiarovana sy famantarana ireo harem-pirenena, toy ny andramena sy ny volamena. Nanao sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa moa ny talen'ny Fadintseranana sy ny talen'ny fakiolten'ny EGS, androany 5 may 2023, teny amin'ny Cathédrale EGS Ankatso.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo