• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Economie

Tsenam-barotra kanadiana : Mpandraharaha malagasy 20 no tonga any Toronto

10/05/2023 18:38 © Moov.Mg

Mpandraharaha malagasy 20 no tonga mampiranty ny vokatra sakafo malagasy any amin’ny Salon International de l’Agroalimentaire izay tontosaina any Toronto, any Canada.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisaly omaly 09 Mey tao Toronto ao Canada ny « Salon international de l’Agroalimentaire ». Haharitra telo andro izany ary ahitana ny fandraisan’anjaran’ny mpandraharaha malagasy.

Fampiratiana ny vokatra malagasy

Nosokafana omaly ary haharitra telo andro any Toronto any Canada ny Salon international de l’Agroalimentaire (SIA). Fotoana iray izay hiaonan’ny mpandraharaha sy ireo mpisehatra maro isan-tsokajiny izy io. Mpandaraharaha malagasy 20 avy amin’ny sehatra samihafa noho izany no tonga misolotena an’ny Madagasikara any an-toerana ankehitriny.
Tanjona voalohany amin’izany ny hampahafantarana ny vokatra malagasy, fa indrindra ihany koa ny hahazoana tsenam-barotra. Izao no atao dia ny mba ahafahana mampivelatra ny tsenam-barotra malagasy sy mifaninana eo amin’ny sehatra irasam-pirenenana. Fomba iray manampy amin’ny famoronana asa ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny fampirantiana iraisam-pirenenana toa izao.
Mirotsaka an-tsehatra ny ministeran’ny varotra
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny hetsika fampahafantarana sy fitrandrahana ny tsenam-barotra kanadiana (MECC) ny SIAL, izay handraisan’ny mpandraharaha malagasy anjara. Tsy ireo mpandraharaha ihany no mirotsaka an-tsehatra mba hampiroboroboana ny vokatra malagasy fa eo ihany koa ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC). Ity farany izay soloin’ny Tale jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana tena.
Tsara ny manamarika fa ny Antenimieran’ny Varotra Kanada Madagasikara (CANCHAM) no mikarakara ity MECC 2023 ity. Ahitana ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Tetikasam-panjakana PIC sy ny Banky iraisam-pirenenana ihany koa io tetikasa MECC io ary mbola hitohy hatramin’ny 19 Mey 2023.
Mpandray anjara avy amin’ny firenena maro izay miompana amin’ny famolavolana sy ny fanodinana sakafo ho azo amidy no tonga mampiranty ny vokatra any Toronto amin’izao fotoana. Ho an’ny Madagasikara manokana dia tanjona amin’izao fampirantiana izao ny « hisintomana ny mpanjifa eo amin’ny tsenan’i Amerika Avaratra izay i Canada no ivony ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo