• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Ebay
Image
Economie

Banky Foiben'i Madagasikara : 50 taona - Vola volamena 50 ariary

18/05/2023 11:46 © Moov.Mg

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly fa hanonta vola volamena 50 ariary indray ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM).

Fankalazana ny faha 50 niorenan’ny BFM

Omaly, nandritra ny filan-kevitry ny ministra dia nankatoavina ny tetikasa fanatontana vola volamena 50 ariary izay naroson’ny filankevi-pitanan’ny BFM. Hetsika ekonomika izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana sy ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny BFM izany.
Raha tsiahivina dia ny 12 Jona 1973 no niorina tamin’ny fomba ofisialy ny BFM. Fotoana iray nanamarika ny fahaleovan-tena ara-bolan’ny Madagasikara izy io satria fotoana nialana tao anatin’ny firenena mampiasa ny « franc » ihany koa. Tsiahivina ihany koa fa « Fomba amam-panao mahazatra eo amin’ireo banky foibe sy ireo vondrona mpamoaka vola ny fanatontana vola volamena ho fanamarihana ireo tranga manan-tantara eo amin’ny firenena iray », hoy ny fampahatsiahivana nataon’ny filan-kevitry ny ministra omaly. Mifandraika tanteraka amin’ny fankalazana io fahadimapolo taona io, araka izany, ity tetikasa fanatontana vola volamena 50 ariary ity.

Fanakalozana ara-bola

Ankoatra ny maha-fomba entina hanamarihana ny fahadimapolo taonan’ny BFM ity vola volamena ity dia fitaovana iray azo ampiasaina tsara amin’ny resaka fifanakalozana ara-bola ihany koa izy io. Marihina anefa fa tsy ho dimapolo ariary araka ny soratra izay ho hita eo aminy no ho sandam-bidin’ity vola ity, satria ho vita amin’ny volamena izy io fa tsy amin’ny vy tahaka ny teo aloha.
« Hamidy araka ny vidiny voatondro amin’ny vidin’ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy araka fomba azo ampiharina nofaritan’ny BFM » io vola volamena 50 ariary io, araka ny voasoratra ao amin’ny tatitry ny filan-kevitry ny ministra hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo