• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Infosante24
Image
Economie

Fanalalahana ny fanondranana ny Lavanila : Nitondra fanazavana ny ministra

21/06/2023 14:58 © Moov.Mg

Niteraka resa-be teto amin’ny firenena ny mahakasika ny lavanila nandritra ity taom-piotazana sy fanondranana 2022 – 2023 ity.

Nandritra ny fifanatrehana teo amin’ny mpikambana ao amin’ny governemenanta sy ireo loholona, omaly, dia nanamafy ny mahakasika ny fanalalahana ny fanondranana ny lavanila ny ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Rzafindravahy.

Niteraka ady hevitra ny fanavaozana izay nentina

Nandritra ity taom-piotazana sy fanondranana ity dia napetraky ny teo anivon’ny governemanta ny lamina rehetra tokony ho arahana. Nisy araka izany fanovana nentina nandritra ity taona ity. Niompana tamin’ny fametrahana ny vidin’ny lavanila farany ambany izany tamin’ny ankapobeny, ka tapaka tamin’izany fa ferana ho 250 dolara ny kilaon’ny lavanila voakarakara raha toa kosa ka 75 000 ariary ny kilao ho an’ny lavanila maitso.
Niteraka resabe sy ady hevitra anefa io fanapahan-kevitra io. « Maro ny fanakianana mavaivay na avy amin’ny mpanao politika izany na avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena. » hoy ny ministra nitantara. Nisy ihany koa ny fitokonana izay nataon’ireo mpisehatra sy ny mpamokatra satria nanano sarotra tokoa ny famarotana ireo vokatra. Nitady vahaolana manoloana izany ireo tompon’andrikim-panjakana isan-karazany.

Nalalahana ny sehatra

Nisafidy ny hanalalahana ny sehatry ny lavanila, noho izany, ny fanjakana manoloana ireo ady hevitra sy fitokonana tetsy sy teroa. « Nanapakevitra ihany koa ireo mpandraharaha mpanondrana sy ny mpisehatra rehetra ao anatin’ny lavanila fa tokony alalahana ny fanondranana lavanila ka nesorina io vidiny farany ambany 250 dolara io. », hoy hatrany ny ministra.
Ny tanjona napetraka anefa dia ny hanavaozana ny sehatry ny lavanila mba hiarovana ny tantsaha mpamokatra sy mba hampidirana ny vola vahiny araka ny tokony ho izy. Raha tsiahivina dia efa nisy ihany koa ny teny ierana nifanaovan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy ireo mpandraharaha sy mpamokatra nandritra ny fidinany tany sambava. « Nampahafantatra izy tamin’izany fa miroso amin’ny fanalalahana ny lavanila i Madagasikara. » araka ny fampahatsiahivana nataon’ny ministra.
Nilaza ihany koa ny tenany fa « Ao anatin’ny tsena malalaka tokoa isika amin’ny resaka lavanila. Kanefa na malalaka aza ny tsena, dia tsy midika izany fa hoe tsy tokony hisy ny fitiavan-tanindrazana izay aseho amin’ny alàlan’ny fitsinjovana ny tantsaha mpamokatra ny lavanila. Ny anjaran’ny fanjakana sisa dia ny miantso ireo mpandraharaha sy ireo mpisehatra rehetra hitsinjo ny tantsaha, mba tsy hahafaty antoka ireto farany. »

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo