• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Heritiana_Razakamiandrisoa
Image
Gasy Winner

Taranja Basket-ball : Voafantina hiatrika ny « FIBA Africa Regional Youth Camp 2023 » i JAOFERA Christiane

18/09/2023 14:17 © Moov.Mg

Isan’ireo voasafidy hisitraka ny atao hoe : « FIBA Africa Regional Youth Camp 2023 », karakarain’ny Federasiona afrikaninan’ny basket-ball (FIBA Afrique) i Jaofera Minaoharisoa Christiane, avy amin’ny Club BCF Atsimo Atsinanana.

Taorian’ireo fandresena miezinezina azony nandritra ny lalaon’ny Nosy notanterahina teto amintsika farany teo, izay niarahany tamin’ny Ankoay, dia fandresena iray ho azy indray izao nahavoafantina azy izao.

Medaly volamena roa

Jaofera Minaoharisoa Christiane no anarany. 12 taona i Christiane no nanomboka nilalao tao amin'ny MB2ALL. Isan’ireo andry iankinan’ny ekipam-pirenena vehivavy eo amin’ny taranja basket-ball izy, izay nanandratra ny voninahi-pirenena nandritra ny lalaon’ny Nosy notanterahina teto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin’ny 03 septambra 2023 teo. Na teo aza ny fikorontanana sasantsasany teo amin’ny fikarakarana dia nibata vokatra tsara ny Ankoay vehivavy. Tena nanamarika an’i Christiane ny nahazoan’ny ekipany ny medaly volamena roa, dia ny teo amin'ny sokajy 3x3 sy ny sokajy 5x5. Ny nitazona ny toerana teo amin’io sokajy 5x5 io no tena nahafaly azy indrindra, satria « fanamby be ho anay ilay izy », hoy i Christiane.

Fifanandrinana iraisam-pirenena

Mitondra traikefa be foana, ho an’ny ekipam-pirenena, ny fifanandrinana iraisam-pirenena toy ireny. « Hahaizana maka lesona sy mamantatra ny fahaiza-manao », hoy i Jaofera Christiane. Nandritra ny Lalaon’ny Nosy rahateo dia ny hahazo ny medaly volamena amin’ny fomba rehetra no masaka tao an-tsain’ny tsirairay avy tao anaty ekipa, raha ny fitantaran’ity tovovavy mpilalao basket ity. Ankoatra ireo medaly volamena roa azon’ny Ankoay nandritra ny Lalaon’ny Nosy, dia vao tamin’ny volana aogositra teo ihany koa ny ekipam-pirenena vehivavy amin’ny taranja basket-ball no nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny lalaon'ireo firenena miteny frantsay (Jeux de la Francophonie).

Ho an’ireo manan-talenta

Tanjona manaraka hotratrarin’ny Ankoay ny hitazonana ny toeran’ny tompondakan’i Madagasikara sokajy « senior », hotontosaina amin’ny volana oktobra ho avy izao. Eo ihany koa ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika amin’ny Afrobasket sokajy « 3x3 », izay hatao amin’ny volana novambra ho avy io. I Jaofera Christiane manokana moa dia izao voafantina hiatrika ny fiofanana natokana ho an’ireo manan-talenta indrindra aty Afrika izao, amin’ny maha-mpanazatra azy. Isan-taona no mikarakara izao fampiofanana izao ny FIBA Afrika. Misy kandida maromaro alefan’ny isam-pirenena, ka ny Federasiona afrikaninan’ny basket-ball no misafidy izay hiatrika izany.

Fiofanana any Rwanda sy any Mali

Ankoatra an’i Christiane dia isan’ireo voasafidy teo amin’ny vehivavy ihany koa, amin’ny maha-mpilalao azy ireo, RAKOTOMANANA Theodora Voahangy Estelle avy amin’ny Club ASCUT Atsinanana sy RASOLOFONJANAHARY Mbola Sahaza avy amin’ny Club ASA Analamanga. Any Kigali Rwanda no hiatrehan’izy ireo ny fiofanana, ny 26 hatramin’ny 28 septambre izao. Eo amin’ny lehilahy kosa dia voafantina, amin’ny maha-mpanazatra azy, i ANDRIANANTENAINA Jean Felix, avy amin’ny Club LUCADRO Analamanga. I ARIMANANA Clive Adriano, avy amin’ny Club MFB-BBCM Menabe sy RASETRIARIVONY HARINOSY A’Ranty, avy amin’ny Club JCBA Analamanga kosa no mpilalao lehilahy voasafidy. Any Bamako Mali kosa izy ireo no hiofana, ny 20 hatramin’ny 22 septambre 2023.

Fandresena maro

Fa raha hotsiahivina ireo fandresena efa nobatain’i JAOFERA Minaoharisoa Christiane, nandritra izay taona maro nilomanosany tao anatin’ny filalaovana basket-ball izay, dia efa tompondakan’i Madagasikara izy sy ny ekipany teo amin’ny sokajy U14/16/18/20 ; efa tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy « Senior » ihany ko aizy tamin’ny taona 2018/2020/2021/2022 ; mpandresy tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan'ny ranomasimbe Indiana (CCCOI) tamin’ny 2016 ; nahazo ny medaly volafotsy tamin’ny fifaninanana fiadiana ny amboaran’i Afrika sokajy « 3x3 » tamin’ny 2022 ; nahazo ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy 2019 sy 2023, mpilalao mendrika (MVP) tamin’ny sokajy U14 taona 2014 sy tamin’ny sokajy U20 taona 2016 ary « tripointeuse » mendrika indrindra nandritra ny Afrobasket 2016 tany Egypta.

Mampitombo fahalalana

Izao nahavoafantina an’i Christiane hiatrika ny lasim-piofanana karakarain’ny Federasiona afrikaninan’ny basket-ball izao dia hitondra tombony betsaka ho azy, amin’ny maha-mpanazatra azy. Aorian’ny fiofananana azony dia afaka mampita ny fahalalany ihany koa izy, ka ho afaka hikarakara « camp de basket » ihany koa. Hahafantatra fomba isan-karazany ho entina mampianatra ireo mpilalao eo ambany fitarihany izy, izany hoe : higoka ny tombontsoa amin’izao fiofanana hatrehiny izao ihany koa ireo ao anatin’ny ekipany. Ireo manam-pahaizan’ny FIBA sy ny NBA (National Basketball Association) mantsy no hizara ny traikefany ao anatin’ity « FIBA Africa Regional Youth Camp 2023 » ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo