• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Nationale

Code minier : Notsinjovina manokana ireo mpandraharaha teratany Malagasy

12/05/2023 21:10 © Moov.Mg

Ny alatsinainy lasa teo no nanomboka ny asa fandinihana ny làlana mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Niasa andro niasa alina ny teo anivonv’ny vaomieran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharano ara-stratejika eo anivon’ny Antenimieram-pirenenana nandinika izany.

Dinika nandritra ny 4 andro

Efatra andro no nandinihina ny volavolan-dàlana hifehy ny harena an-kibon’ny tany. Saika tonga nanatrika ny asam-baomiera ireo olona rehetra voakasiky ny harena an-kibon’ny tany. Taorian’izany fandinihina izany dia lany nasiam-panovana sy nasiam-panitsiana teo amin’ny Antenimieram-pirenenana anio ilay volavolan-dàlana laharana 005/2023.
41 tamin’ny andininy 434 ireo novaina sy nahitsin’ny solom-bavambahoaka. Tafiditra tao anatin’ireo andininy nisiana ady hevitra ireo ny fitsinjarana ny saram-panjakana sy ny tamberina na ny redevance sy ristourne.

Fitsinjarana…

Tao anatin’ity volavolan-dàlana ity dia « notsimbinina manokana ny mpandraharaha teratany malagasy. Hita taratra amin’ireo làlana vaovao hifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharano ara-stratejika izany. » hoy ny filohan’ny vaomiera mpandinika an’io volavolan-dàlana io. Manomboka izao dia handray andraikitra amin’io resaka io ihany koa ny vondrom-paritra hitsinjaram-pahefana. Handray anjara amin’ny fanomanana ny fitrandrahana sy amin’ny fanaraha-maso amin’ny fadndraisana ny tambim-bidy amin’ireny harena rehetra aondrana any ivelany ireny ihany ko aizy ireo.
Hisy ampahan’ireo harena ihany koa no hamidy amin’ny Fanjakana amin’ireo indostria vaovao raha ilain’izy ireo amin’ny fanodinana ny indostriany ny akora misy eto madagasikara. Tsy voatery hanafatra akora avy any ivelany intsony izy ireo noho izany. Hoy hatrany ny Filohan’ny vaomiera. Nampahatsiahy ihany koa izy fa ny fahazon-dàlana hitrandraka izay hita fa tsy miasa dia hajanona ary omena olona hafa mba hialana amin’ny « spéculation ».
Raha jerena kosa ny fitsinjarana izay natolotry ny fanjakana dia 3,5% no alefa any amin’ny fanjakana foibe raha toa ka 1,5% no miverina any amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Nilaza anefa ny Filohan’ny vaomiera fa 2,5 ho an’ny fanjakana foibe ary 2,5 no tolo-kevitra naroson’izy ireo. Ary ny tambim-bidy ilain’ny fanjakana dia ao anatin’io 2,5% io avokoa.
Teo ampamaranana dia nanafatra izy « Ny mba hanafainganan’ny antenimieran-doholona, ny HCC ary avy eo amin’ny fitondram-panjakana ny hametrahana ity làlana ity mba hialana amin’ny gaboraraka, toy ny fanondranana antsokosoko sy ny fanaparam-pahefana ataon’ny olona sasany. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny ao amin’ny fitaleavan’ny ministera sy ny amin’ny gouvernorat izay mampiasa izany fahefana izany eny ifotony. »

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo