• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Nationale

Iavoloha : Masoivoho vaovao telo no noraisin’i Andry Rajoelina anio

17/05/2023 17:28 © Moov.Mg

Masoivoho vaovao telo no noraisin’i Filoham-pirenenana Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha anio, 17 Mey 2023.

Fanolorana ny taratasy manendry ho masoivoho hiasa eto Madagasikara

Araka ny fanao amin’ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena dia adidin’ireo Masoivoho vaovao no manolotra ny taratasy manedry azy ireo hiasa eto Madagasikara amin’ny filoham-pirenena. Tafiditra tanteraka tao anatin’izany ny fihaonana telo sosona izay notanterahan’i Andry Rajoelina niaraka tamin’ireo masoivoho vahiny vaovao izay voatendry hisolo-tena ny fireneny avy.
Io taratasy io dia fomba iray ampahafantaran’ny Filoham-pirenena vahiny iray ny Filoham-pirenena eto an-toerana fa nanendry olona vaovao hisolo-tena ny fireneny izy. Aorian’ny fihaonana toa izao dia voamarina amin’ny fomba ofisialy ny fandraisan’ilay masoivoho ny asany.

Masoivoho vahiny telo

Ny masoivoho vaovaon’i Finlande monina any Maputo, Anna-Kaisa Heikkinen, no masoivoho voalohany norasin’i Andry Rajoelina anio. Ankoatra ny fanolorana ny taratasy manendry azy dia noresahany sy ny filoha ihany koa ny mahakasika ny firaha-miasan’ny firenena roa tonta manoloana ny fiovan’ny toetry ny andro.
Taorian’izay dia tonga nanatitra ny taratasy manendry azy ho Masoivoho vaovaon’i Pakistan hiasa eto Madagasikara ihany koa i Muhammad Arshad Jan. Sehatra maro isan-karazany no nifampiresahan’ny roa tonta. Singanina manokana amin’izany ny sehatry ny fampianarana ambony toa ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra malagasy mivelatra ao anatin’ny resaka fitsaboana, ny « ingérnierie », ny banky sy ny diplomasia. Ankoatra izay dia nivoitra nandritra ny resaka nataon’ny roa tonta ihany koa ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria malagasy. Tafiditra tanteraka ao anatin’izany ny famorakarana vary, ny simenitra sy ireo vokatra azo avy amin’ny jono.
Tonga nanolotra ny taratasy manendry azy ihany koa ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Vietnam hiasa eto Madagasikara, Pham HOANG KIM. Niompana tamin’ny lafiny fiarah-miasa ara-politika, toekarena sy ny kolontsaina ary ny fampiroborobo ny fifandraisana ara-pirahalahiana efa misy eo amin'ny firenena roa tonta kosa ny resaka teo amin’ny filoha sy ity masoivoho ity.
Taorian’ny fandraisana ireo masoivoho dia handray anjara ami’ny Filan-kevitry ny ministra izay tontosaina isak’alarobia i Andry Rajoelina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo