• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Lazar
Image
Nationale

Laza Razafiarison : Tsy ho kandida, fa hanohy ny tolona fanovan-drafitra

06/09/2023 14:51 © Moov.Mg

Nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny volana novambra izao ny antoko Tambaben'ny Olompirenena nampiraisin'ny Andraikitra (RCR/Tolona), tarihan’ny filohany, Laza RAZAFIARISON. Araka izany dia sady tsy anisan’ny hirotsaka hofidiana ny tenany, no tsy hanohana olona ihany koa ny antoko.

Tsy ampy ny ho enti-manana

Araka ny fanazavana nentin’i Laza Razafiarison androany, dia mbola maro ny ezaka tokony hotratrarin’ny antoko RCR/Tolona vao ho feno ny fepetra amin’ny fanoloran’izy ireo olona ho kandida amin’ny fifidianaa filoham-pirenena. Nisy ny kajy natao, izay nanaporofo fa tsy hitondra any amin’ny fandresena aloha ny zava-misy amin’izao. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fahampian’ny ho enti-manana. Raha tsiahivina dia nisy ny antso tsipaipaika nataon’ny antoko tamin’ny mpiray tanindrazana teto an-toerana sy tany ivelany. 962 no isan’ny olona nandray anjara tamin’izany ary nahatratra 234 582 621 ariary ny vola voaangona.

Ampy handoavana ny anto-bola takiana amin’ireo kandida io, saingy rehefa miala ilay 200 tapitrisa ariary takiana dia 34 tapitrisa ariary mahery kely sisa no tavela. Tsy ampy hanatontosana fampielezan-kevitra anefa io vola io.

Hamerim-bola

Nilaza moa i Laza Razafiarison fa ho averina avokoa ny vola noraisina avy amin’ireo olona rehetra nandray anjara tamin’ny tsipaipaika, manomboka rahampitso. Niala tsiny tamin’ireo nanohana azy sy nankahery ireo mpiray antoko aminy ihany koa izy. « Tsy hanao sorona ny ekipa aho, ka na hita aza fa maloto ny tontolo fanomanana, hita fa manitsaka ny lalàna ny fanekena kandida tsy manana ny zom-pirenena Malagasy dia mbola hikiry ihany ka hilomano ao anaty rano maloto », hoy izy.

Na tsy mandray anjara amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena aza anefa ny antoko RCR/Tolona, dia nanambara i Laza Razafiarison fa tsy hijanona hatreo ny hetsika fanovan-drafitra fa hitohy hatrany izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo