• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Cycloneoi
Image
Vaovao

Rivodoza 2023 Freddy : Hiditra an-tanety anelanelan’ny amin’ny 06 ora hariva sy 08 ora alina

21/02/2023 17:16 © Moov.Mg

Miha-manakaiky ny morontsirak’i Madagasikara hatrany ilay rivodoza 2023 Freddy, raha ny vaovao navoakan’ny foibe famantarana ny toetry andro tamin’ny 04 ora hariva teo no jerena. Vinaina hiditra an-tanety ao amin’ny distrikan’i Mananjary anio alina io, eo anelanelan’i amin’ny 06 ora hariva sy amin’ny 08 ora alina izy ity, koa heverina hijanona amin’io ny rivotra hiaraka aminy.

Miankandefana somary Atsimo Andrefana hatrany ny làlana araka izany ary mahafaka 23 km/ora. Na dia nisy fihenana hatrany ary ny heriny dia mbola tafiditra ao anatin’ny rivodoza mahery ity Freddy ity. Mitondra rivotra 150 km/ora izy ankehitriny ary arahina tafiotra 210 km/ora ny manakiky ny foibeny.
Etsy andaniny dia fantatra fa efa mikasika tanteraka ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsinanana ny rahona miaraka aminy. Hiharatsy hatrany ny andro manomboka izao.

Rotsakorana mikija

Mandritra ny fandalovan’ity rivodoza Freddy ity dia hikija ny rotsakorana ka mety hahatratra maherin’ny 200 mm ny habetsany. Hahery be sy hisamboaravoara ihany ko any ranomasina satria mety hahatratra 8 m ny ahavony. Ahiana mafy noh izany ny fiakaran’ny ranomasina, indrindra ho an’ireo faritra manamorina ny hidirany an-tanety. Aorian’ny fidirany an-tanety dia hamakivaky ny afovoan-tany i Freddy mandritra ny alina. Tombanana hivoaka any amin’ny lakandranon’i Mozambika ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana izy ny Alarobia tolakandro.
Noho izany dia miova ho toy izao ny filazana loza :
Filazana miloko mena (loza mitatao) : Vatovavy, Fitovinany, Amoron’i mania, Matsiatra ambony, Ihorombe, ny distrikan’i Vatomandry, Mahanoro, Antanambao manampotsy ary Marolambo ;
Filazana miloko mavo (Loza manambana) : Atsimo atsinanana, Vakinankaratra, ny distrikan’Anosibe an’ala, Brickaville, Toamasina I-II, Mahabo, Manja, Morondava, Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Morombe ary Toliara I-II ;
Filazana miloko maintso (Fanairana) : Analamanga, Itasy, ny distrikan’i Moramanga, Miandrivazo ary Belon’i tsiribihina.
Mitohy hatrany ny fanentanana ny rehetra hanaja mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo