• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Météo.Png
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy 2023 : Afa-doza ny faritra Analamanga

22/02/2023 06:50 © Moov.Mg

Tamin’ny 03 ora maraina teo dia tao amin’ny Distrikan’Isandra no nisy ny foiben’i FREDDY. Nihena hatrany ny heriny. 80 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 100 Km/ora manakaiky ny foibeny. Mikisaka miakandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 23 Km/ora.

Hihena hatrany ny heriny mandritra ity tapany maraina ity. Hihena miandalana ihany koa ny rotsakorana entiny (> 60 mm) amin’ny faritra ho lalovany. Mbola hahery na hahery be ny ranomasina (> 3 metatra) mandritra ny tontolo andro. Hanohy ny diany hamakivaky an’Ikalamavony i FREDDY ato anatiny ora manaraka ary tombanana hivoaka any amin’ny Lakandranon’i Mozambika ao amin’ny faritra Atsimo andrefana ny tolak’andro.

Miova ho toy izao ny filazana loza
Filazana miloko mena (loza mitatao) : Amoron’Imania, Matsiatra ambony, Ihorombe
Filazana miloko manga (Fahamailoana) : Vatovavy, Fitovinany, ny distrikan’i Vatomandry, Mahanoro, Antanambao manampotsy ary Marolambo
Filazana miloko mavo (Loza manambana) : Vakinankaratra, ny distrikan’ny Mahabo, Manja, Morondava, Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Morombe ary Toliara I-II
*Filazana miloko maintso (Fanairana) *: ny distrikan’i Miandrivazo sy Belon’i tsiribihina
*Foana ny filazana *loza ho an’ireto Faritra sy Distrika manaraka ireto: Atsimo atsinanana, Analamanga, Itasy, Toamasina I-II, Brickaville, Moramanga, Anosibe an’ala.

Fampitandremana

Iangaviana ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Toamasina ka hatrany Cap Ste Marie sy Cap Ste Marie ka hatrany Morondava mba tsy hiandriaka satria hikorontana ny toetry ny andro. Entanina ny rehetra hanaja mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo