• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Météo_Madagascar
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy : Foana ny filazana loza mihatra sy loza manambana

22/02/2023 10:45 © Météo Madagascar

Tamin’ny 09 Ora maraina teo dia tao amin’ny distrikan’Ankazoabo (faritra Atsimo andrefana) no nisy ny foiben’i FREDDY. Manankery ny filazana miloko manga na ny filazana fahamailoana ho an'ny faritra sasany

Nihena hatrany ny heriny. 55 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 70 Km/ora manakaiky ny foibeny indraindray. Mikisaka miakandrefana somary atsimo andrefana izy ka nahafaka 35 Km/ora.
Hihena miandalana ihany koa ny rotsak’orana entiny (> 60 mm) any amin’ny ilany andrefan’ny nosy. Mbola hahery ny ranomasina (> 3 metatra) hatramin’ny rahampitso vao maraina.
Tombanana hivoaka any amin’ny Lakandranon’i Mozambika ao amin’ny faritra Atsimo andrefana i FREDDY ny tolakandro.

Miova ho toy izao ny filazana loza :

Filazana miloko manga (fahamailoana) : Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vakinankaratra, ny distrikan’ny Mahabo, Manja, Morondava, Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Morombe ary Toliara I-II;
Foana ny filazana loza ho an’ireto Faritra sy Distrika manaraka ireto : Vatovavy, Fitovinany, Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampotsy ary Marolambo.
Iangaviana ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Mananjary ka hatrany Cap Ste Marie sy Cap Ste Marie ka hatrany Morondava mba tsy hiandriaka satria mbola mikorontana ny toetry ny andro. Entanina ny rehetra hanaja mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Météo Madagascar

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo