• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Nantenaina Commune Urbaine Toamasina.Jpg
Image
Vaovao

Toamasina : « Gaz » nipoaka nandratra olona roa

22/02/2023 09:19 © Midi Madagasikara

« Fuite de gaz » na entona fandrehitra tafaporitsaka ary nahazo pitik’afo no nahatonga ny fipoahana, raha ny angom-baovao avy any an-toerana.

Tokantrano iray no niharan-doza tao anatin’izany, tao Mangarano 11-47, Toamasina, ary io nandratra olona anankiroa io. Ny somary nahatalanjona kely dia trano mbola eo an-dalam-panamboarana ity nisian’ny fipoahana « gaz » ity. Nanaitra ny rehetra ihany izany teny an-toerana omaly ary nikoropaka avokoa ny rehetra, indrindra fa ireo teo amin’ny manodidina. Soa ihany anefa, na dia somary nanano sarotra aza ny fidirana nihazo ilay trano niharan-doza dia nanao ny ezaka rehetra ireo mpamonjy voina, hifehezana izay mety ho fitaran’ny loza, izay naterak’ilay fipoahana. Raha ny hitan’ireo tompon’andraikitra mantsy dia mbola nisy tavoahangy hafa tao amin’io toerana io. Mitotaly eo amin’ny 44 isa teo izany ,raha ny fampitam-baovaon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Fantatra tamin’io ihany koa mantsy fa nisy olona roa, izay nikirakira ireo tavoahangy ireo no naratra mafy vokatr’izay. Efa noezahina nentina haingana naamonjy toeram-pitsaboana moa ireto farany. Niezaka sy nampatsiahy ny mponina ny ben’ny tanàna ao an-toerana fa tsy azo atao velively ny mitahiry izany tavoahangin’entona fandrehitra izany fa mety hampidi-doza tahaka izao. Mahakasika ny fisian’ireto tavoahangy be dia be tao amin’ity trano vao hamboarina ity moa dia nampiahiahy ihany. Milaza ny hanokatra fanadihadiana mahakasika ity tranga ireo tompon’andraikitra any an-toerana

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo