• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © _
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy : Tafiakatra 4 ny isan’ireo namoy ny ainy

22/02/2023 15:46 © Moov.Mg

Olona 4 hatreto no voalaza fa namoy ny ainy nandritra ny fandalovan’ilay rivodoza Freddy, raha ny nambaran’ny jeneraly Elack Andrianjaka anio atoandro nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety.

Tatitra

Tovolahy 27 taona ny iray tamin’ireo olona 4 ireo, izay maty vokatry ny fiakaran’ny rano tao Mahanoro. Raha tsiahivina dia lasan’ny rano ity tovolahy ity ka izay no nitarika ny fahafatesany. Maty vokatry ny fiotsahan’ny trano kosa ny telo ambiny. Ary tao Ambalavao no nisehon’izany loza mahatsiravina izany. Araka ny fantatra dia mpianaka ireo olona telo ireo. Manoloana izany dia miara-miory amin’ireo fianakaviana mana-manjoa ny eo anivon’ny BNGRC.
Fantatra ihany koa fa tsy misy ny filazana olona tsy hita popoaka hatreto, izay azo lazaina fa vaovao tsara, raha araka ny nambaran’ny teo an’ivon’ny BNGRC hatrany. Olona 16 660 kosa ireo olona traboina, raha 11 047 ireo nafindra toerana mba hialana amin’ny loza.
Rehefa fotoanan’ny rivodoza toa izao tokoa dia ahiana fatratra ny fiotsahan’ny tany, ny trano, ny vato, ary ny fiakaran’ny rano. Izany indrindra no mahatonga ny fanentanana maro isan-karazany ataon’ny eo anivon’ny BNGRC sy ny sampana mpamonjy voina mba hialana amin’ny loza mety hiseho. Ho an’ireo olona mipetraka amin’ny toerana tandidomin-doza dia entanina hatrany izy ireo mba hiala amin’ireny toerana ireny. Toa izany ihany koa ireo mipetraka amin’ny trano ahiana hiotsaka. Ho an’ireo olona mipetraka amin’ny faritra iva kosa dia entanina izy ireo hifindra amin’ny toerana avo, rehefa fotoam-pahavaratra toa izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo