• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ministeran’ny asa : Ho foanana tanteraka ny kolikoly

23/02/2023 09:43 © Moov.Mg

Tsy ekena intsony ny kolikoly mivantana na an-kolaka amin’ny fidirana amin’ny asam-panjakana, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina

Lamina manokana iadiana amin'ny kolikoly

Anisan’ny tanjon’ny minisitra vaovao, Rivotiana Richard JEAN BOSCO, ny fanavaozana ny lamina mba hampangarahara ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana. Efa nilaozan'ny toetr'andro ny fahafantarana olona vao mahazo vokatra tsara amin'ireny fifaninanana ho mpiasam-panjakana ambony ireny.

Fanavaozana ireo lalàna mifehy ny asa

Maro ihany koa ireo vina ezahina vitaina alohan’ny volana oktobra 2023. Ho jerena manokana ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara : Code du travail, Code de prévoyance sociale, Statut général des agents publics.
Hisy ihany koa ny lamina manokana mba hanafainganana ny fikarakarana ny antotan-taratasin’ireo mpiasam-panjakana. Hiverina hifampidinika ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny amin'ny karama raisin'ny mpiasa sy ireo tombontsoa isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo