• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Midi_Madagasikara
Image
Vaovao

Imerintsiatosika : « Aide chauffeur » miriaria miaraka amin’ny basy teny an-tsena

23/02/2023 09:47 © Midi Madagasikara

Tovolahy iray no tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Imerintsiatosika, niaraka tamin’ny basy poleta sy bala efatra, ny alatsinainy teo, teo an-tsenamasoandro. Milaza ho mpivarotra basy ranamana ary teo am-pitadiavana izay mety hividy azy mihitsy izy tamin’izay.

Ny zava-nisy. Nisy ny vaovao azon’ny teo anivon’ny zandary, mahakasika ny fisiana lehilahy iray miriaria miaraka amin’ny basy tao an-toerana. Nidina teo amin’ny tsena ireo zandary ary niezaka nitady ity lehilahy sy nametraka ny paikady rehetra hisamborana azy. Tsy ela tokoa dia tra-tehaka tokoa ingahirainy. Raha ny fampitam-baovao azo dia hita teny aminy tokoa ny basy poleta « MAB » izay efa tsy nisy laharana famantarana intsony. Mbola niaraka tamin’ny bala 9mm, « lot SFI 81 », miisa efatra. Tsy misy taratasy ara-dalàna teny aminy, na mahakasika ity basy ity na mahakasika ny fahazoan-dalana hahafahany mitazona izany. Nentina nihazo ny birao avy hatrany ary nohadihadiana. Fantatra tamin’izany fa mpanampin’ny mpamily no asany ary monina eny Tanambao, Imerintsiatosika ny tenany. Ary olona nirahina hitady mpividy fa tsy tena azy akory izany fitaovam-piadiana izany. Rehefa niroso hatrany ny famotorana dia noteneniny tamin’ireo mpitandro filaminana ny tena tompony. Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ity farany ireto zandary. Efa hita soritra ny nisy azy ary efa nivonona tamin’ny fisamborana ireo mpanao famotorana saingy voalaza fa tafaporitsaka tamin’ny ora farany ity tompon’ilay basy poleta ity. Hatreto moa, dia mbola manohy ny fikarohana azy ireo zandary. Ilay mpanera kosa, notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy lalindalina kokoa, mandra-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

Anisan’ny fositra iray mahatonga ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana, indrindra fa ny basy. Antony iray manosika ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena hiady amin’izany, ary hanao ho vaindohan-draharaha ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo