• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © L'Express_De_Madagascar
Image
Vaovao

Jly Lylison : Mandiso sy mamaly ny fanaratsiana azy

23/02/2023 09:46 © Midi Madagasikara

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny jeneraly Lylison taorian’ny fanaparitahana horonam-peo sy karazana fanaratsiana azy nanomboka omaly.

Nilaza izy fa efa ny faraparan’ny volana marsa vao nihaona tamin’ny Filoha Andry Rajoelina. Izany hoe tsy mbola nahitana momba azy ny resaka 7 febroary 2009. Ny 10 marsa vao nisy ny fikomiana tamin’ny Capsat sy Fort-duschène ary voalaza fa afaka hamarinina ny fisian’ny fandaozana ny andraikitra nosahanany tany Bongolava. Nandritra ny fifandonana tamin’ireo zandarin’ny FIGN nikomy dia voalaza fa ny Jly Lylison no anisan’ny nitarika ny FIS niditra teny an-toerana nandrava io fikomiana io. Tamin’izany no nahafaty ny namana akaiky ny Jeneraly Lylison, ny Sefo Ramaroson na i Vazaha. Voalaza fa ny Jly mihitsy no nokendrena tamin’izany saingy tsy voa. Mbola anisan’ny nitarika ny ady tamin’ny fikomiana teny amin’ny Bani Ivato ihany koa izy, raha ny fanazavana ihany. Teo amin’ny lafiny politika indray, dia nifaninana tamin’ireo senatera HVM no nidiran’ny Jly Lylison tamin’izany ary tamin’ny anaran’ny Mapar izany, izay fantatra fa tamin’ny alalan’ny fifidianana. Milaza izy fa tsy mbola niala tamin’ny Filoha Andry Rajoelina ary tsy hiala aminy. Anisan’ireo zandary nahazo sy nanaraka fiofanana tany ivelany toy ny tany amin’ny Université de Droit et Science Criminelle (D.U.D.S.C) – Faculté de droit de Sceaux – Université Paris XI – FRANCE ( 2001), Diplôme de cours supérieur de la Gendarmerie – Melun FRANCE (20002001), École d’Etat Major de la Gendarmerie – Centre de formation spéciale de la Gendarmerie française, Maison Alfort France (2007).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo