• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Journée des écoles 2023 : Namboly hazo ireo mpianatry ny LMA

23/02/2023 22:10 © Moov.Mg

Nanamarika ny andron’ny sekoly tamin'ny alalan'ny fambolen-kazo miisa 2 000 fototra tamin’ny velaran-tany 2Ha teny amin’ny Kaominina Alatsinainy Ambazaha Distrikan’Atsimondrano ny mpianatra, ny mpampianatra ary ny mpandraharaha avy eo anivon’ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA).

Ho fanatrarana ny “vina Madagasikara rakotr’ala” dia mamporisika ny fandraisan’andraikitry ny rehetra ny ministeran'ny tontolo iainana. Laharam-pahamehana anatin’izany ny fanabeazana ny isam-batan’olona hanana toe-tsaina sy fomba fiaina mikajy ny tontolo iainana.
Mifandraika indrindra amin’ny lohahevitra nosafidian’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ity hetsika ity: “Sekoly loharanompahalalana, fahendrena, fahaiza# miaina, mikajy ny tontolo iainana sy ny fananana iombonana aho”.
“Izay mamboly hazo mamelona aina, izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara”

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo