• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Port-Bergé : « Sage-femme » maty novonoim-badiny

24/02/2023 09:14 © Midi Madagasikara

Potika tanteraka ny tarehiny. Nivoitra avy hatrany fa nisy niharan’ny herisetra izay nitarika ny fahafatesany izy. Ramatoa iray mbola tanora ary mampiteraka ny asany ao Port-Bergé no namoy ny ainy vokatr’izany, ny talata lasa teo.

Tsy izy ny nahavano-doza fa ny vadiny ihany. Niaiky ny helony rahateo ilay rangahy ary nanazava fa hasarotam-piaro sy olana ara-tokantrano no anton’ilay heloka bevava. Nidoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany ao an-toerana ny nahavanon-doza rehefa natolotra ny fampanoavana. Ireo zaza no tena mampalahelo ao anatin’ity raharaha vonoan’olona ity. Sady kamboty tsy satry noho ny fahafatesan-dreniny no tsy misy ray miahy noho ny figadràn-drainy. Nahoraka tao an-toerana ity tranga ity ary noresahin’ny olona hatraiza hatraiza.

Maro ny lesona azo tsoahina amin’ilay zava-nisy ary ny farafahakeliny amin’izany dia ny tokony tsy hisian’ny herisetra ao an-tokantrano. Fanaka malemy hatrany ny vehivavy ary tsy hitovy hery amin’ny lehilahy mihitsy. Mety ho fikasiha tànana tsy noeritreretina dia hanimba zavatra maro, mety hitarika amin’ny fahafatesana mihitsy aza. Toa izay nitranga tao Port-Bergé mahakasina ity raharaha ity.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo