• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Jirama_Ofisialy
Image
Vaovao

Jirama : Nisitraka jiro COBRA ny elakelatranon’ny fokontany Ambaniavaratra Andohanimandroseza

24/02/2023 11:00 © Moov.Mg

Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny fokontany Ambaniavaratra, Andohanimandroseza ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny jirama, ny ministry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Solo Andriamanampisoa ary ny solombavam-bahoakan’ny boriboritany faharoa, Lanto Rakotomanga, omaly.

Nandritra io fidinana ifotony io no natao ny fametahana ireo jiro COBRA eraky ny elakelan-trano. Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia ny mba hampiehanana ny tsy fandriampahalemana. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny ady amin’ny fanendahana, ny vaky trano, ny hala-botry eny amin’iny faritra iny izay aharaisana fitarainana efa ho isan-kerinandro, raha ny nambaran’i Nirina Randriamandimby, filoham’pokontany eny an-toerana. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa Hazavao ny elakelantrano izany, izay fiaraha-miasan’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo sy ny Jirama.

Hitohy ny hetsika

Hisitraka izany hetsika izany avokoa ireo elakelatrano manodidina toa ny eny Mandroseza sy Ankatso. Tsy ny eto Antananarivo ihany anefa no hiantefan’io tetikasa io fa hihitatra any amin’ny renivohim-paritany enina izany, araka ny fantatra. Takamoa miisa 10 000 ary no hokendrena hapetraka manerana ny Nosy mandritra ity taona ity.
Fantatra ary fa hametrahana jiro COBRA ireo andrin-jiro mielanelana 50 metatra. Ho an’ireo elakelatrano tsy misy andrin-jiro kosa dia mampahafantatra ny tokantrano ny Jirama fa azo atao tsara ny miara-miasa amin’izy ireo. Amin’izany dia honerana 20 000 ariary ny faktiora isam-bolan’ireo tokatrano manaiky hametrahana jiro COBRA ny tranony mba hitsilo ireo elakelatrano.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo