• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Mananjary : Notolorana 200 000 ariary ireo fianakaviana sahirana

24/02/2023 16:03 © Moov.Mg

Maro ireo fotodrafitrasa simba sy ireo olona traboina tao Mananjary noho ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Manoloana izany dia maro ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny fitondram-panjakana sy ireo avy amin’ny firenenana mikambana no tonga nitondra ny anjara birikiny tany amin’iny faritra iny.

Anio kosa no nanatanteraka ny fitsidihana an’i Mananjary ny Filoha Andry Rajoelina raha efa nialoha làlana azy ireo ministra eo anivon’ny governemanta.

Fanampiana ara-bola

Maro tokoa ireo foto-drafitrasa sy trano fonenana simba noho ny fandalovan’ilay rivodoza Freddy, raha Mananjary manokana no resahana. Nahatratra 1 404 ireo trano tondraky ny rano raha toa ka 6 300 ireo nahitana fahasimbana. Ankoatra izay dia fantatra fa 38 323 ireo olona traboina ary 9 859 ireo nafindra toerana ho an’ny Mananjary hatrany, araka ny tatitra nataon’ny BNGRC omaly.
Manoloana izao voina mahazo ireo vahoaka sahirana ireo izao dia nanambara ny filoha-mpirenenana fa ho tohanana ara-bola izy ireo. Hisy araka izany ny fanomezana 200 000 ariary isan-tokatrano. Izao no atao hoy ny filoha dia ny mba ahafahan’izy ireo manarina indray ireo simba tao antrano sy mividy kojakoja fampiasa ao antokatrano. Raha tsorina dia tohana ahafahan’ireo tokatrano tena sahirana miarina amin’ny andavan’androm-piainan’izy ireo izao fanampiana ara-bola izao.

Tohana maro samihafa

Ankoatra ny tohana ara-bola dia nozaraina sakafo mafana ireo olona traboina. Tao ihany koa ny fizarana menaka, vary, siramamy, kits scolaires ary kojakoja samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Nanome toky ihany koa ny filoha fa ho tolorana masomboly 10 taonina ireo tantsaha ahafahan’izy ireo manarina indray ireo tanimboly rava vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza.
Etsy an-daniny dia notolorana moto vaovao ireo ben’ny tanànana ao amin’ny distrikan’i Mananjary sy ambulance 4x4 vaovao izay ahitana fitaovana harifomba. Ny distrikan’i Mananjary, Vohipeno, Ikongo ary Nosy Varika no nisitraka izany. Na eo aza ireo fanampiana isan-karazany dia ho mafy ho an’ireo tokantrano traboina no hiverina amin’ny fiainana an-davan’andro, indrindra ireo rava trano sy fananana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo