• Cours de change
  • 4740.83 AR
  • |
  • $4417.35 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Farafangana : Nahazo fanampiana ireo fianakaviana marefo

02/03/2023 11:01 © Midi Madagasikara

Fianakaviana marefo avy amin’ ny tokantrano 506, ahitana zaza latsaky ny 5 taona sy vehivavy bevohoka tsy ampy sakafo ary vehivavy mampinono tsy ampy sakafo no nisitraka « rations des protections » omaly.

Nahazo tombony tamin’ izany ireo fianakaviana ao amin’ ny kaominina Ihorombe distrikan’ i Farafangana faritra Atsimo Atsinanana, tamin’ireo fokontany dimy toa ny fokontany Lohavala, Mahabo, Vohibolo, Vohiposa, Beretry. Fiaraha-miasa teo amin’ ny depioten’ i Farafangana, Raheriarijaona Regina Clarisse sy ny ONN ary ny minisiteran’ ny mponina izao hetsika izao. Vary 25 kilao, tsaramaso 5 kilao, menaka 1 litatra isan-tokatrano no nomena ireo mpisitrika. “Hetsika tafiditra ao anatin’ ny fanampiana ny mpiara-belona sy ny ady amin’ ny tsy fanjariantsakafo amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny, indrindra ao amin’ ny distrikan’ i Farafangana”, araka ny fanazavan’ ny depiote Raheriarijaona Regina Clarisse. Tsy hijanona eo fa hitohy ny hetsika fanohanana ny fianakaviana marefo tahaka izao fa santatra ihany ity natao tamin’ ireo fokontany dimy ao amin’ ny kaominina Ihorombe ity araka ny nambarany hatrany. Araka izany, miandrandra izany ireo olona any amin’ny fokontany sasany, ary maodely ho an’ny faritra hafa izao hetsiky ny depiote izao, ary maneho ny fiaraha-miasa amin’ny mpiombon’antoka ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo