• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Wwf
Image
Vaovao

Titre Vert Menabe Antimena : Fianakaviana 500 no hisitraka fanampiana

02/03/2023 17:03 © Moov.Mg

Araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Ministra omaly dia hanomboka ny tetikasa « Titre vert Menabe Antimena ». Noraisina izany fanapahan-kevitra izany mba hiarovana sy hamonjena ireo faritra arovana any Menabe Antimena.

Fahasimbana

Maro ireo faritra arovana niharan’ny fahamaizana sy ny fahasimbana tato ato. Tafiditra tao anatin’izany indrindra i Menabe Antimena, ny « réserve foncière 11 Bezeky », izay hita eo anelanelan’ny kaominina Befasy sy Analaiva. Ho an’ity faritra manokana ity dia ny firongantry ny fifindra-monina no anisany antony lehibe niteraka ny fahasimbany. Noho ny fiaiavian’ireo mpifindra monina avy any Atsimo dia ripaka io faritra arovana io noho ny fanaovana tavy.

Tany 20 hektara isaky ny fianakaviana

Manoloana izao trangana fahasimbana goavana izay hita ao Menabe Antimena izao dia tapaka fa hatomboka tsy ho ela ity tetikasa ity. Ireo fianakaviana 500 mpifindra monina izay nanajary ny toerana no hiantefan’izao tetikasa izao. Tany mirefy 2 hektara isam-pianakaviana noho izany no ho atolotra azy ireo. Mba ahafahan’ireto farany mivelona sy indrindra hiarovana ny faritra voaaro dia ho tolorana masomboly, zezika ary fitaovam-pamokarana samihafa ihany koa izy ireo. Tafiditra ao anatin’ity tetikasa ity, ankoatra izany, ny tosika fiompiana.
Ho tanterahina ny fanorenana trano fonenana miisa 500, ny fananganana fotodrafitrasa ara-tsosialy toa ny fampidirana rano fisotro madio, ny fanajariana làlana hampifandray ny toera-mponenana sy ny tanimboly sy tanimbary, ny sekeloy, ny toeram-pitsaboana ary ny tobin’ny zandarimariam-pirenenana. Natao izany ny mba hananan’ireo mponina toerana ahafahana miaina malalaka sy ho fanajana ny zon’izy ireo.
Etsy andaniny anefa dia tena zava-dehibe tokoa, ny fiarovana ny tontolo iainana, izay tsiahivina fa antom-pisian’izao tetikasa izao. Noho izay lafiny izay indrindra no antony hametrahana ny atao hoe « ceinture verte » sy ny « zone tampon ». Amin’ny alàlan’izany no hitarihina ireo fianakaviana hiroso amin’ny fambolen-kazo isan-karazany amin’ny faritra voatokana mba hiarovana ny zava-maniry sy ny zava-manan’aina misy any amin’iny faritra iny. Ho tafiditra ao anatin’izany tetikasa fambolen-kazo izany ireo karazana hazo maro samihafa, toa ny hazo fa avadika angovo, ny hazo fihinamboa, ny hazo ahafahana manangana trano sy ny maro hafa koa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo