• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Linfo.Re
Image
Vaovao

Mety hitombo hery ny sisandrahona niaraka tamin’i FREDDY

02/03/2023 17:13 © Météo Madagasikara

Niverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ny maraina teo ny sisan’ilay rivodoza FREDDY rehefa nijanona andro vitsivitsy tany Mozambika. Malefaka ny heriny ary lavitra ny foibeny avokoa ireo tangoron’orambaratra matanjaka miaraka aminy

Manodidina ny 20 ka hatramin’ny 35 Km/ora ny rivotra akaiky ny foibeny fa hahatratra 50 Km/ora izany ao anaty oram-baratra.

Ato anatin’ny 4 andro ho avy dia tombanana hikisaka hiatsinanana somary Atsimo Atsinanana ity andro ratsy ity ka hanakaiky ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana ny Alahady na ny Alatsinainy ho avy izao.

Raha ny antotan-kevitra voaray ny maraina teo dia tombanana hihatsara ny tontolo hivoarany ary ahiana hitombo hery ka ho lasa riodoza indray izy. Noho izany dia hikorontana miandalana ny toetry ny andro amin’ny morontsiraka Andrefana, Atsimo Andrefana sy Atsimon’ny Nosy manomboka anio alina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo