• Cours de change
  • 4740.83 AR
  • |
  • $4417.35 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Anjozorobe : Dahalo telolahy lavon’ny balan’ny zandary

03/03/2023 09:04 © Midi Madagasikara

Raikitra indray ny fifandonan’ny dahalo sy ny zandary, omaly tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Telo tamin’ireto olon-dratsy ireto no voalaza fa tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny. Maty voatifitra nandritra izay fifandonana izay. Omby maromaro kosa no azo teny am-pelatanan’izy ireo.

Ny zava-nisy. Ny faramparan’ny volana teo dia nisy tranga halatra omby namaivay tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antanimenakely, ao amin’ny fokontany Ambohitsaratany, kaominina Anjozorobe. Vantany vao nahazo ny fampandrenesena ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Anjozorobe dia nanao avy hatrany ny fanarahan-dia. Napetraka avy hatrany ny paik’ady hanakanana ireo kizo rehetra mety halehan’ireto olon-dratsy ary nampilazana ireo zandary amin’ny tobim-paritra manodidina. Nahitam-bokany avy hatrany izany paik’ady izany satria iray andro taorian’io fanafihana io dia latsaka teny am-pelatanan’ireo mpangalatra ny omby 15 tamin’ireo omby 25 isa nangalarin’izy ireo.

Tsy nionona fotsiny tamin’izany anefa ireto zandary fa nanohy hatrany ny fanaovana hazalambo ireto malaso ireto. Nifanehatra araka izany ny roa tonta, efatra andro taty aorian’ny fanafihana teo anelanelan’ny tananan’i Miaramasoandro sy Ankidondona, aty amin’ny kaominina Androvakely, kilaometatra maro dia maro miala ny toerana nisian’ny halatra omby. Ry zareo zandary avy etsy amin’ny zana-tobim-paritra Antanetibe Anativolo sy ireo dahalo maromaro nirongo fiadiana, omaly tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany maraina tany ho any. Raikitra avy hatrany ny fifampitifirana. Tsy nisalasala nanohitra ireto mpitandro filaminana mantsy ireo olon-dratsy. Voatery niaro tena ihany koa iretsy voalohany. Nisy ireo lavo taty amin’ny ekipan’ireo mpangalatra omby. Telo izy ireo, araka ny vaovao nampitaina avy any an-toerana. Azo teny am-pelatanan’izy ireo ihany koa basim-borona sy ny bala. Mbola nisy omby efatra anisan’ireo nangalarin’izy ireo ihany koa azo, ankoatra ireo 15 efa latsaka tany am-boalohany. 19 tamin’ireo 25 lasa araka izany no voaverina tamin’ny tompony, hoy hatrany ny fanazavana azo.

Nomena ny fokonolona ho amin’ny fandevenana ireto maty moa ny razana, taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo. Tsy mbola mijanona hatreo kosa mbola manohy manao ny fikarohana azy ireo, na ireo omby very na ireo dahalo ny zandary any an-toerana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo